Miomana hiatrika ny kongresiny voalohany ny antoko MAMAFISOA. Tonga eto an-toerana hitarika izany ny filoha nasionaliny, RAJEMISON Rakotomaharo. Nisy ny tafa fohy nifanaovana taminy, mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny.
Tia Tanindrazana (T.T) : Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena, farany teo dia namoaka ny fehin-keviny ny CPS Vondrona Afrikanina hivoahana amin’ny krizy, ny hevitrao mikasika azy iny ?
RAJEMISON Rakotomaharo (R.R) : Mihazakazaka tokoa ny toe-draharaham-pirenena ary nivoaka ny fehin-kevitra farany ny CPS/UA mikasika ny fivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara. Ry zareo fianakaviambe iraisam-pirenena dia mivadibadi-kevitra ary tsy mampisy fitoniana sy filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena.
T.T : Nangingina ny fahitana ny MAMAFISOA, antoko tarihinao, paikady politika sa diso fanantenana amin’ny toe-java-misy ?
R.R : Misy ny fotoana hanginana ary misy ny fotoana itenenana.
T.T : Manomana fifidianana fatratra ny fitondrana ankehitriny, mby aiza ianareo MAMAFISOA amin’io ?
R.R : Araka ny efa voalazanay hatramin’ny nijoroan’ny antoko MAMAFISOA dia efa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana isan’ambaratongany izahay, raha feno ny fepetra hisian’ny fifidianana marina, mangarahara ary demokratika ao anatin’ny filaminana haneken’ny eto an-toerana sy ny firaisambe iraisam-pirenena azy.
T.T : Farany, tarafaray teny Ivandry nandritra ny fetim-pirenena frantsay na ny mpanohitra na ny mpitondra, midika inona aminao iny tamin’ny 14 jolay iny ?
R.R : Voalohany indrindra dia nanome fanajana antsika ny vahiny tamin’ny fanasana nataony ary isaorana azy ireo izany. Manaraka izay dia mety ho henatra ho antsika ny fahaizan’ny mpanohitra sy ny mpitondra miaraka anaty lanonana nefa ao anatin’ny fandaminana ny firenena no tena tokony hametrahana ny Fihavanana sy ny Soatoavina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.