Politique

Rajemison Rakotomaharo Aza atao takalon’aina ny vahoaka !


  • Alakamisy 11 Martsa 2010

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika taorian’ny atrikasa Teny Ifampierana notanterahina teny Ivato ny 4 sy 5 martsa teo, sy amin’izao ankatoky ny fananganana ny governemantan’ny fisokafana tarihin’ny Praiminisitra Camille Vital izao.

Vahiny nanaiky hitafatafa tamin’ny Tia Tanindrazana maneho ny heviny amin’ity anio ity i Guy Rajemison Rakotomaharo, filoha nasionalin’ny antoko MAMAFISOA (MAlagasy Mandroso ao Anatin’ny FIhavanana sy ny SOAtoavina), araka izao manaraka izao. 

Tia Tanindrazana (T.T): Miarahaba anao Atoa Rajemison Rakotomaharo, eto an-toerana ianao ary nandray anjara tamin’ilay atrikasa Teny Ifampierana teny Ivato, nitarika ny antoko MAMAFISOA. Azo fantarina ve ny naharesy lahatra anareo handray anjara tamin’iny, raha ny hafa nibodo tsy hanao izany ?
Rajemison Rakotomaharo (R.R) : Antony roa no azoko ambara aminao ny amin’izay. Voalohany, izaho dia Ambasadaoron’i Madagasikara any Genève (Soisa) sady solontena maharitra ao amin’ny Firenena Mikambana. Izany hoe mpiasam-panjakana aho izany. Ny Minisitry ny raharahambahiny mihitsy no nanasa sy niantso ahy hanatrika io fivoriana io ary izany no nahatongavako niatrika ny fivoriana. Faharoa, ny MAMAFISOA tarihiko dia antoko «moderé». «Centriste» izany izahay. Aminay dia ny soatoavina malagasy no manosika anay handini-javatra. Izany hoe “izay tsy miady olom-bodo fa izay to fo Mpamosavy” ary aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifanatonana ihany, ny tokantrano rahateo tsy ahahaka ; ka aleo mifanatona raha mbola azo atao ihany ho tombontsoam-pirenena. Manao fihavana-molotra, tezitra vao mifanatona.
 
T.T: Teny Ifampierana no foto-kevitra nitondrana ny atrikasa. Araka ny nantenainareo ve ny zava-nitranga nandritra izany ?
R.R: Na araka ny nantenaina moa na tsy araka ny nantenaina, ny zava-dehibe taminay dia ny nahafahanay nitondra ny anjara birikinay tamin’ny fanoloranay ny hevitray. Heveriko fa tsy mety ny tsy mba miteny na mandray anjara kanefa mimenomenona fotsiny ety ivelany.
 
T.T: Nandray anjara tamin’ny latsa-bato ny MAMAFISOA, nisafidianan’ny mpizaika na hiroso amin’ny “Assemblée Constituante” na hanao “Référendum Constitutionnel”. Ahoana no nandraisareo ny safidin’ny mpizaika ?
R.R : Izahay dia mandala ny Demokrasia. Iny aloha no niseho, araka iny nanambarana azy iny. Raha ny marina, ary efa nambaranay hatramin’izay dia tsy araka ny safidinay ny lany. Ny noheverinay fa mety dia 1- Fihaonambem-pirenena 2- fitsapan-kevi-bahoaka 3- fifidianana Filoham-pirenena sy Solombavambahoaka miaraka.
 
T.T : Nampanantena fisokafan’ny andrimpanjakana amin’ny hery politika rehetra ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina. Hiditra ve ny MAMAFISOA sa hiandry fifidianana ? Inona no andrimpanjakana metimety aminareo ?
R.R: Raha vao nivoaka iny fanapahan-kevitra iny ka nasaina nanao Sonia izahay dia nangataka fotoana hieritreretana aloha. Ny marainan’ny 06 Martsa ihany dia nanao fivoriambe araka izay tratra antso tamin’ny Mpikambana rehetra izahay. Ny lanin’ny besinimaro tao amin’ny fivoriana dia tsy hanao sonia ilay fanapahan-kevitra izahay. Dia efa mety ho takatrareo araka izany koa ny mey ho tohiny rehetra.
 
T.T: Nofoanan’ny mpanasa sy mpanomana ilay fivoriana tokony ho natao tany Addis- Abeba farany teo. Hivaha ve ity krizy ity, fa toa mifamahofaho be ihany ny fahitana ny raharaha, nefa ny Malagasy sahirana sy fadiranovana ? Inona no vahaolana arosonareo ?
R.R : Efa nambarako ombieny ombieny isaky ny mba afaka miteny aho fa efa telo ireo krizy talohan’izao krizy iainantsika izao, kanefa dia ny Malagasy samy Malagasy ihany no nahavaha azy ireny. Fa maninona izao faninefany izao no tsy voavahan’ny samy Malagasy ? Amiko, na ny marina kokoa dia aminay MAMAFISOA, ny finiavana hifanatona sy hifandefitra no tsy ampy fa tokony hivaha io.
 
T.T : Manan-javatra hafa hambara hamaranana ny tafatafantsika ve ianao ?
R.R : Manao antso amin’ireo namana mpitarika Antoko samihafa aho. Ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka jerena fa aoka izay ny hambom-po diso toerana. Raha mba fantatrareo mantsy ry rahalahy sy anabavy mpanao politika rehetra, fa ianareo anie, aleo ataoko hoe isika anie, mbola manan-kohanina na mitohy herintaona indray aza izao krizy izao e ! Fa asa raha mba tsapantsika, fa noho ny fahaverezan’asa, sy ny antony maro, dia betsaka ny Malagasy no mandry fotsy sy tsy mihinana afa-tsy anana sisa. Manao antso avo aminao aho ry rahalahy sy anabavy, aza atao takalon’aina intsony ny vahoaka. Averiko ny teniko tery am-piandohana hoe : “izay tsy miady olom-bodo fa izay to fo Mpamosavy” ary “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. “Aza atao fihavanam-bato ny fihavanana, ka raha tapaka tsy azo atohy ; fa ataovy fihavana-molotra, tezitra vao mifanatona”!
 
Dinika nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT