Mangataka ny hametrahana ny datim-pifidianana Ben’ny tanàna matotra sy mazava Rajaonasolo Clovis Arthur, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ambohidratrimo. Mialoha ny datin’ny 20 novambra izay hanatontosany sy ireo namany ny fametraham-pialana amin’ny maha Ben’ny tanàna azy no hangatahiny hivoahan’ny fanambarana.
Efa voarafitra sy tsara petraka mantsy ho izy ny lalam-pifidianana sy ny fametrahana ny CENI isaky ny distrika amin’izany fotoana izany. Efa vita ihany koa ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanovana ny lalàmpanorenana raha tsy misy ny sampona, hoy ihany izy. Angatahiny noho izany ny hitazomana ny datin’ny 20 desambra hanaovana ny fifidianana Ben’ny tanàna na inona na inona zava-mitranga eto amin’ny firenena. Ankoatra izay dia mangataka ny fitondrana FAT ihany koa ny tenany mba tsy ho mpanao politika no hapetraka hatao PDS fa teknisiana afaka mamita sy mampandeha tsara ny asan’ny Ben’ny tanàna. Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ity Ben’ny tanàna ity omaly no nahafantarana izany. Tsiahivina fa tsy miombon-kevitra amin’ireo Ben’ny tanàna mpikambana eo anivon’ny AMRA (Fikambanan’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny faritra Analamanga) Rajaonasolo Clovis Arthur. Tsy ekeny ny fanoherana ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena, indrindra ny fanoloana Ben’ny tanàna ho lasa PDS. Nomarihiny moa fa tombontsoa betsaka ho an’ny Ben’ny tanàna ny fanaovana ny fifidianana amin’ny 20 desambra. Tampoka ho an’ny mpifaninana io daty io, hoy izy no sady manam-potoana betsaka hanaovana ny propagandy ny Ben’ny tanàna tsirairay raha 15 andro ihany izany teo aloha
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.