Efa an-taonany no niketrehana ny fanonganam-panjakana niseho teto amintsika tamin’ny taon-dasa. Araka ny efa fantatra dia nanana anjara lehibe tamin’izany ny firenena tandrefana iray.
Iray ihany ny iraka nampanaovin’io firenen-dehibe io an’i Andry Rajoelina, araka ny fanazavana dia ny fanesorana an’i Marc Ravalomanana izay nanohintohina ny tombontsoan’ity firenena ity. Vita izany iraka izany ankehitriny ka dia miroso amin’ny dingana manaraka ireo tompon’ny iraka dia ny fametrahana izay olona heveriny fa tokony hitondra ity firenena zanany fahiny. Araka ny tsiliantsofina, dia mitovy ny loharanom-bolan’i Andry Rajoelina sy Pierrot Rajaonarivelo. Ho an’ireo mpanohana azy moa dia tokana ny tanjona dia ny hametrahana an’i Pierrot Rajaonarivelo hitondra ny Repoblika faha-4. Ity farany izay hita fa efa tena mihetsiketsika tokoa amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fametrahana eny ifotony ny antokony. Tsy dia miseho be loatra fa misoko miadana kosa ny asa rehetra ho amin’izany ary dia hita fa miroso tsikelikely kanefa efa lasa lavidavitra ny fampielezan-kevitra. Raha mbola mifandrirotra amin’izay hitondrana izay ho tetezamita ny firehana samihafa, ny mpanohana an’in Pierrot Rajaonarivelo kosa miroso miandalana amin’izay fiatrehana fifidianana izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.