Politique

Rajaonarimampianina Tsy tompon’ny teny farany


  • Alarobia 05 Jolay 2017

Baiko avy any amin’i Hery Rajaonarimampianina mivantana ve ny fisakanana an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM tsy hankalaza ny faha-15 taonany eny Mahamasina ny 8 jolay ?

 Sa ireo manodidina azy no ninia nanao izay saim-pantany sy nanararaotra ny tsy maha eto ny filoha ? Mbola teto an-tanindrazana mantsy izy nandritra ny fotoana nivoahan’ny fahazoan-dàlana ny 30 jona ary tsy nisy ny olana. Efa tany amin’ny fivorian’ny faha-29-n’ny Vondrona Afrikanina izy ny 3 jolay vao nirotsaka ny fanapahan-kevitra tsy voadinika sy tsy voafakafaka, ary  vao mainka mety hitera-doza ho an’ny filoha. Tsy fitandremana mety ho pitik’afo handoro ny HVM sy ny forongony mihitsy aza. Mandeha ny resaka fa ireo olona akaiky ny filoha no nanao tsindry tamin’ny fandraisana ilay fanapahan-kevitra bontolo, ka na vao mainka aza hampitombo ny fankahalan’ny olona an’i Hery Rajaonarimampianina aza tsy olana rehefa tontosa ny sotasota vokatry ny fialonana an’i Marc Ravalomanana sy ny TIM fotsiny. Tsy manan-tsafidy kosa ny filoha fa voagejan’ireo mpanao afera sady mpanao politika manodidina azy. Na miketrika mafy ny mbola hiverina amin’ny fahefana aza amin’ny 2018, dia efa naman’ny ho voalefona ivoho satria efa manana ny kajiny ny ankamaroan’ireo, ka ao no mampijabaka an-kitsirano mihitsy, raha tsy hilaza afatsy io fanakanana ny TIM io. Tsy tompon’ny teny farany eto amin’ny firenena intsony ny tenany fa fehezin’ireo olona manodidina azy. Ahatarafana izany ireo toe-javatra maro, izay ilana ny fanapahan-kevitra hentitra avy any aminy saingy tsikaritra ho tsy manan-tsafidy manoloana ireo mpanolon-tsaina, minisitra manodidina azy, fianakaviana,… manao izay danin’ny kibony sy izay saim-patany. Tsy hita mandrak’ankehitriny izay hevitry ny filoha sy ny fanapahan-keviny momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy satria voageja sy tsy afa-manoatra. Mandroso mihemotra amin’ny resaka fanovana governemanta satria tsy afaka mandidy sy manapaka, fa toa entina amin’ny sangany angamba.  Tsy hay na mba nandalina kely ny politika ihany izy sy ny manodidina azy hoe teboka lehibe vao mainka manaporofo ny maha henjana sy hahamafy sedra ny TIM sy hanaporofo ny tsy fahatokisan-tenan’ny HVM intsony izao antsojay izao, ka tsy tokony ho natao saingy tratry ny kenda roroky ny mpanolo-bato mafana, ka tsy afa-manoatra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT