Politique

Rajaonarimampianina sy Macron Hihaona manokana any Paris


  • Talata 27 Jona 2017

Nandefa taratasy ho an’ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina ny filoha Frantsay Emmanuel Macron. Firarian-tsoa sy fiarahabana ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny vahoaka Malagasy manontolo noho ny fetin’ny fahaleovantena sy fampatsiahivana ny fifandraisan’i Frantsa sy Madagasikara no vontoatin’ny taratasy.

 

 Nankasitrahan’i Emmanuel Macron ihany koa ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivorian’ny Frankofonia ny volana novambra 2016 sy ny fitantanan’i Hery Rajaonarimampianina ny Frankofonia. Misy ihany koa ny fanasana nataony ho an’ny filoha Malagasy mba hihaona manokana aminy any Paris rahampitso alarobia 28 jona. Ny resaka fifandraisan’ny tany roa tonta no tena horesahana amin’izany. Tsy hay aloha izay tena ho fipetraky ny fifandraisan’ny firenena roa tonta amin’izao fitantanan’i Emmanuel Macro an’i Frantsa izao, saingy inoana fa tsy hivaona firy amin’ny politika nampiharin’ny Frantsay hatramin’izay, dia ny fikendrena hatrany ny tombontsoan’ny Frantsay amin’ireo tany nozanahiny fahiny. Mbola adihevitra ny resaka “îles éparses”, izay efa nambaran’ny firenena mikambana fa an’i Madagasikara. Nilaza moa i Hery Rajaoanarimampianina tao amin’ilay fandaharany “Fotoam-bita” ny faran’ny herinandro teo, fa tafiditra amin’ny ady amin’ny fiandrianam-pirenena daholo izany, ary efa mitsangana ny vaomiera manokana momba ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ireo. Hatrizay ihany koa dia manaraka akaiky ny toe-draharaha politika eto Madagasikara i Frantsa koa inoana fa hisy ny resaka politika mandritra izao fihaonana izao, herintaona sy tapany mialoha ny fifidianana filoham-pirenena manaraka hatrehana eto Madagasikara.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT