Politique

Rajaonarimampianina Misy mikasa hamono ?


  • Talata 27 Jona 2017

Voalohany tao anatin’ny 57 taona nanamarihana ny fetim-pirenena Malagasy no nahitana fitaratra be toa fefy nanafenana ny filohan’ny repoblika sy ireo lehibena andrim-panjakana eto amintsika tahaka ny tazana teny Mahamasina omaly.

Fantatra fa fitaratra tsy laitram-bala io napetraka teny amin’ny tribune centrale nisy an’ireo manampahefana ambony io ary napetraka noho ny antony fitandroana ny filaminana sy fandriampahalemana. Ny fisavana teo am-pidirana ny vavahady rehetra moa dia efa hentitra dia hentitra, tao anatin’ny kianja dia mbola tazana ireo mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana sy fitaovam-pifandraisana isaky ny metatra vitsivitsy. Tazana ho mafy dia mafy ny fiambenana an’i Hery Rajaonarimampianina rehefa iny izy nigadona teny an-kianja iny omaly. Fa inona indray ity fihetsiketsehan’ny mpitondra HVM ity ? Rehefa nanontaniana ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nanambara fa tsy ry zareo no nametraka ilay fitaratra, tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa . Izany hoe tsy misy afa-tsy ny sampandraharaha miaro ny filoham-pirenena no heverina fa tompon-kevitra nametraka azy io. Zavatra efa fanao amin’ny fiarovana olo-manankaja ireny, hoy kosa ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Efa fantatra mpanao izany, ohatra, ny Papa Ray Masina amin’ny alalan’ilay fiara Papamobile misy fitaratra tsy laitram-bala sy ny any amin’ireo firenena lehibe hafa. Ny nanaitra fotsiny dia nahoana no amin’izao 2017 izao vao nisy an’io fitaratra be io ? Anisan’ny fantatra ho sarotiny amin’ny fiarovana sy ny filaminana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny amiraly Didier Ratsiraka  saingy tsy mbola nanao zavatra tahaka ireny mihitsy tamin’ny fotoan’ny matso eny Mahamasina nandritra ny fotoana nitondran’izy ireo avy. Efa tena henjana anefa ny fanaraha-maso ireo trano rehetra manatrika io tribune centrale io mialoha sy mandritra ny matso, ary efa fanao hatry ny ela be izany. Fihetsiketsehana fotsiny ihany sy fanaovana don-tandroka ihany ary ve ny fametrahana ilay fitaratra be tsy laitram-bala omaly io sa tena misy mikasa ny hitifitra sy hamono ho faty mihitsy ny filoha Hery Rajaonarimampianina ? Efa nilaza ny mpitandro ny filaminana fa ho hentitra amin’ny asa ataony mba isorohana ny savorovoro nitranga herintaona lasa izay, fipoahan-javatra nahafatesana sy naharatrana olona tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Nosokajiana ho asa fampihorohoroana saingy tsy mbola fantatra mazava ny hatao lasibatra. Inona no mety ho antony ary iza no atidoha nikotrika azy ? Tsy takona afenina ihany koa fa maro mpankahala ny fitondrana Rajaonarimampianina ary anisan’ny mahasosotra ny olona aminy ny fanaovana be marenina amin’ny torohevitra na fanakianana izay atao aminy. Izay angamba no mety mahamailo fatratra azy ireo ka nahatonga iny fihetsiketsehana be teny Mahamasina omaly iny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT