Any Paris renivohitr’i Frantsa nanomboka omaly alatsinainy 12 septambra ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Anton-diany, araka ny fampitam-baovao ofisialy, ny fanatrehana ny «
1ère Journée de la Francophonie Economique et Numérique (JFEN) » hotontosaina rahampitso alarobia. Tanjon’ity JFEN ity ny hanome tantsoroka sy hanohana ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ny Frankôfônia eto Antananarivo. Handray anjara ao anatin’ny adihevitra sy ny atrikasa ireo minisitra, lehibena orinasa, mpikaroka, mpikambana avy amin’ny firaisamonim-pirenena ao anatin’ny fianakaviamben’ny Frankôfônia. Sehatra iray hahafahana manao tsindry sy manatsara endrika ny firenena mampiantrano ny fihaonana ihany koa anefa ity fivorian’ny JFEN any Paris ity ary azo antoka fa hanao izay faraheriny tokoa i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fandresen-dahatra ny rehetra fa hoe : afaka mampiantrano tsara ny fivorian’ny OIF i Madagasikara na dia eo aza ny olana maro samihafa. Na ny fanorenana ny fotodrafitrasa amin’io fivoriana io aza anefa dia efa nahitana olana ary manjavozavo tanteraka. Niato ny asa teny amin’ny « Village Voara » Andohatapenaka, dia nisy ampahany naverina indray avy eo dia tsy hay intsony. Toa misy hotely goavambe miorina koa eny Ivato. Tsy misy ny mangarahara avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fanomanana ilay fihaonana, hany ka be ny resaka mandeha. Mitaky fitoniana tahaka ny fikambanana iraisam-pirenena rehetra maneran-tany anefa ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) ka hatreto aloha dia ratsy naoty i Madagasikara. Re fa hiezaka handresy lahatra ny Frantsay mba hanohana antsika amin’ny fampiantranoana io fivoriana io ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary mety hisolelaka mihitsy aza satria raha sanatria ka votsotra io fivoriana io dia sady fahafaham-baraka ho an’i Madagasikara no hanaratsy endrika tanteraka ny fitondrana HVM ka mety hisy akony ratsy any amin’ny fifidianana manaraka. Hitsikafona eo mantsy fa tena kitoatoa tokoa ilay fomba fitantanana ny firenena ary tsy misy ny programa matotra fa fahatairana no betsaka, kitsapatsapa no andaniana andro.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.