Politique

Rajaonarimampianina Hamono afo any Befandriana ?


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Mbola tena mafana ny raharaha Befandriana Avaratra amin’izao fotoana izao ary lasa raharaham-pirenena mihitsy.

Nilaza ny handray fepetra ary tsy hipetra-potsiny manoloana ny raharaha Antsakabary ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny herinandro lasa teo saingy tsy hita izay tena nafitsony. Manomboka miaka-peo ny olona rehetra, indrindra fa ny zanak’i Sofia, ka may ny endim-boanjon’ny filoham-pirenena. Fantatra fa hidina any Antsakabary ny filoha anio, ka tombanana hamono afo sy hiezaka hanarontsarona ny zava-nisy. Efa ho herinandro vitsy ity raharaha ity saingy tsy hita ny fandraisan’andraikitra nataon’ny fanjakana, ireo olona tany an-toerana indray no natao fahirano. Samy fandikan-dalàna na ny fitsaram-bahoaka na ny fandoroana tanàna, izay namoizana ain’olona. Ny nanao fitsaram-bahoaka anefa no mibaby ny vokany. Tsy mbola nisy resaka ny momba ireo polisy sy ireo lehibe naniraka azy, izay voatondro ho nandoro tanàna.  Ny minisitry ny filaminana anatiny Anandra Norbert, sokajian’ny rehetra ho nanao tatitra diso tamin’ny filazana fa tsy ny polisy no nahavanon-doza tamin’ny fandoroana tanàna aza tsy nandrenesam-peo intsony. Afa-baraka ny fitondrana iray manontolo, saingy mbola mijanona amin’ny toerany soa aman-tsara ity tompon’andraikitra ity, ary tsy nandrenesam-peo sy tsy fantatra intsony izay misy azy.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT