Politique

Rajaonarimampianina any Antsiranana Raikitra indray ny fitokanana zava-bita


  • Alakamisy 27 Aprily 2017

Tontosaina anio 27 aprily any Antsiranana ny dinika politika iarahan’ny Vondrona Iraisam-pirenena sy ny fanjakana Malagasy, ka omaly dia efa tonga any an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina,

  hotronin’ireo praiminisitra sy mpikambana maro anatin’ny Governemanta sy ireo olom-boafidy sy olom-panjakana any amin’iny Faritra iny, ary ireo mponina mpampiantrano. Ankoatran’ity dinika politika ity, dia handray anjara amin’ny atrikasa ara-toekarena karakarain’ny Faritra Diana ihany koa ny filoham-pirenena mandritra izao diany izao. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy dia ny “Carrefour Y” mifandraika amin’ny Programa mahasahana ny tanàna filamatra amin’ny firoboroboana ara-toekarena na ny PIC. Eo ihany koa ny ivon-toerana natokana ho an’ny reny sy ny zaza ao amin’ny Hopitalin’ny Miaramila ao Antsiranana, ary ny orinasa momba ny jono ho an’ny ranomasina Indianina. Hisy ihany koa ny fametrahany fehezam-boninkazo eo amin’ny fasan’ny miaramila Anglisy any an-toerana na ny “Commonwealth War Cimetary”.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT