Politique

Rajaonah Andrianjaka “Tsy misy firaharahaina ny hamahana ny olam-bahoaka»


  • Alatsinainy 03 Mey 2010


Miteraka resabe ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Raha ny feo re etsy eroa dia resa-bola no antony. Nanao fanamarihana anefa ny Otrikafo tarihin-dRajaonah Andrianjaka fa «lainga ny filazana ho tsy manam-bola, satria dia tena manam-bola nolaniana ary holaniana ny Fanjakana, saingy dia lanilaniana amin’ny tsy antony”. Noraisin’ny Otrikafo ho ohatra tamin’izany ny volabe raisin’ny mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tsirairay avy isam-bolan, mitentina 17.190.000 Ar (85.950.000 Fmg araka ny didim-panjakana laharana 2009 – 578. Ankoatra izany ny fandaniana tamin’ny dia tany Maputo (I, II), sy Addis-Abeda ary izao Pretoria izao (olona maro be no miaraka aminy amin’izany). Hentitra ny Otrikafo nilaza fa “tsy misy firaharahaina ny hanamaivana na ny hamahana ny olam-bahoaka malagasy amam-piarahamonina mihitsy ataon’ny Fitondrana ankehitriny”. Tsy nolaniana amin’ny fiainam-bahoaka ary ny mpianatra izany volabe rehetra izany, fa dia nariana tamin’ny ady seza sy ny fanatanterahana ny baikom-bazaha. Mila jerena akaiky ny fitakian’ny mpianatra, hoy ry Rajaonah Andrianjaka, satria ireo no hitantana ny tany sy ny Fanjakana rahampitso.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT