Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena sy ny hetsika saika hataon’ny Antso ho Fanavotam-pirenena (AFP) ny antoko Otrikafo tarihin-Rajaonah Andrianjaka.
Mivaivay ny kiana nentin’ity mpanao politika ity manoloana ny fihetsik’ireo mpitarika izay tsy nipoitra teny Analakely akory ny 19 aogositra teo. Raha halalinina ny fanehoan-keviny dia toa milaza ny Otrikafo fa kanosa sy tsy tena mpitari-tolona ny mpitarika ny AFP fa olona tia sehoseho fotsiny. Tsy arakaraka ny resabe nataony tany anaty haino aman-jery ny zavatra nataony rehefa tonga tokoa ny fotoana. Nambarany fa ny olona tena mpitari-tolona dia tsy tokony hihemotra na inona na inona sakana sy olana miandry fa tsy toy izao nataon’ny AFP izao. Zava-doza ary mamono ny hafanampon’ny Malagasy ny zava-nisy raha ny fanazavan’Atoa Rajaonah Andrianjaka izay toa maneho fa mpamita-bahoka ny mpitarika iny hetsika iny. Nitondra ny heviny mahakasika ny hetsiky ny Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP) ihany koa ny Otrikafo ka tsy nisalasala nilaza fa misy amin’ireo mpitarika no olona voakarama izay efa nandray vola tany ho any. Tsy azo itokisana intsony ny ankamaroan’ny mpanao politika ary tsy zava-baovao amin’ny vahoaka intsony ny politika maloto eto amin’ny firenena ka izay no tsy ahitan’ny mpanao politika rirany intsony amin’ny fanaovana fitaovana ny olom-pirenena.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.