Mila miaiky ny Frantsay fa meloka ary nanao vono moka teto Madagasikara tamin’ny 1947, hoy ny Antoko politika Otrikafo, tarihin-dRajaonah Andrianjaka.
Tokony hanaiky koa ny maha an’i Madagasikara ireo nosy eparsa, izay bodoiny ka hamerina ny tany ho an’ny Malagasy. Ireo no fepetra tokony hapetraka sy horesahina voalohany vao miditra amin'ny resaka fiaraha-miasa sy firahalahiana amin’ny Frantsay. Toa lany andro fotsiny anefa isika hatreto amin’ny fitakiana fa tsy misy vokany hatramin’izao. Ny mpitondra fanjakana tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina aza toa tsy miraharaha ary minia mampangina ny raharaha, indrindra taorian’ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Re aza moa fa efa nanao fifanarahana miafina mikasika ny hampanginana ny fitakiana ireo nosy ireo ny fanjakana malagasy sy frantsay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.