Midika ho fanosihosen’ny FAT sy ny Frantsay ny fiandrianampirenena ny fandraisam-pitenenana nataon-dRtoa Yvette Sylla, minisitry ny raharaham-bahiny nandritra ny lanonana nankalazana ny fetim-pirenena frantsay teo, hoy ny filohan’ny Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka.
Nambaran’ity farany fa tsy zon’ny masoivoho frantsay no manendry izay olona tokony hitondra ny tenin’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny lanonana toy ireny, na inona resaka nifanaovana tany ambadika tany na inona. «Raha nanana hambo-pom-pirenena i Camille Vital dia nanainga tao avy hatrany niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta raha vao nanendry an’i Yvette Sylla handray fitenenana i Jean Marc Chataigner, masoivoho frantsay», hoy izy. Kianiny koa ankoatra izay ny tsy fihetsehan’i Andry Rajoelina taorian’ireny zava-nisy ireny. Momba ny fanambaran’ny filohan’ny FAT fa hamidy ireo andramena nogiazana dia nambaran’ny filohan’ny Otrikafo fa ny mpitondra mihitsy izany no lasa mpisolo toerana ireo mpanondrana an-tsokosoko ny andramena ary tsy azo antoka fa hijanona ny fandripahana ity hazo sarobidy ity satria ny fanjakana mihitsy no efa manome alalana. «Hanan-karena tampoka ny mpitondra izay hampiasa ny fahefam-panjakana eo am-pelatanany». Farany dia mihevitra ny tenany fa tokony ho amin’ny alalan’ny tolo-barotra ho an’ny mpandraharaha momba ny rafitra hazo eto an-toerana no atao ka efa voavoatra ho fanaka vao haondrana ny andramena hampiakatra ny sandany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.