Politique

Rajao sy ny ekipany Hiliba any Antsiranana indray


  • Alarobia 26 Oktobra 2016

Taorian’ny tany Toamasina ny 27-29 septambra dia any Antsiranana indray no hanaovana ny filankevitry ny governemanta mitety faritra ny alatsinainy 31 oktobra izao.

 

 Fandaniana volam-panjakana sy fanesoana ny Malagasy indray no hatao mandritra io fotoana io. Miaina anaty krizy ny firenena kanefa mbola sahin’ny mpitondra ny manao fandaniam-bola azo hampandeferina. Maro ireo olana ara-tsosialy tokony hojerena toy ny resaka Jirama saingy fialana bala amin’ny tsy fisiam-bola no hany ataon’ny mpitondra.  Volabe anefa no lany tany Toamasina ary ho avy indray ny manaraka. Raha tsiahivina dia nipetraka tamina hotely amina sarany 400 000 Ariary sy 600 000 Ariary isan’andro ireo mpikamban’ny governemanta tany Toamasina. Miisa 32 ny mpikambana ao anatin’ny governemanta Solonandrasana. Raha hanaovana kajy tsotsotra hoe samy miditra ao amin’ilay hotely mihofa 400 000 ariary isan’andro avy izy ireo dia 12 800 000 Ar isan’andro izany ny volam-panjakana mivoaka, izany hoe 38 400 000 ao anatin’ny 3 andro. Mbola misy vady aman-janaka sy mpiara-miasa maro anefa miaraka amin’ny minisitra tsirairay avy. Manginy fotsiny ny hofan’ny fiaramanidina sy ireo fiara 4x4 maro be sy ny solika lanin’izy ireo izay volam-panjakana no handoavana azy. Efa fanjakan’ny mpiliba sy ny mpirevy no misy eto ka tsy atao mahagaga raha latsaka lalina noho ny fanaovana fanjakam-boalavo ny firenena.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT