Politique

Rainandriamampandry Vavolombelon’ny fitiavan-tanindrazana


  • Sabotsy 15 Oktobra 2016

Ny tantara tsy fanadino. Anisany maha firenena ny firenena iray ny tantarany. 15 oktobra 1896 – 15 oktobra 2016, 120 taona katroka androany no nitifiran’ny mpanjanatany an-dRainandriamampandry

, Evanjelistra mpitondra Fiangonana, mpampianatra, mpanoratra, jeneraly mpitari-tafika sy Governora miaramila tao Toamasina ary minisitry ny Ati-tany. Nanelingelina ny mpanjanatany ny fisiany ka tonga tamin’io fanamelohana ho faty io. Niara-notifirina taminy teo Antsahamanitra tamin’io andron’ny 15 oktobra 1896 io ny Printsy Ratsimamanga. Vavolomebelon’ny tantaran’ny Tia tanindrazana ireo, nefa somary mangingina ny famohazana sy ny fampitana izany amin’ny tanora. Ny taranaky Rainandriamampandry no niezaka nanomana hetsika ho fahatsiarovana ny nitifiran’ny mpanjanatany  azy io. Nisy Komity manokana natsangana nikarakara izany fotoam-pahatsiarovana izany nanomboka tamin’ny alahady 9 oktobra ka hatramin’ity andron’ny sabotsy 15 oktobra 2016 ity. Misy ampahandalana nampitondraina ny anarany, rue Rainandriamampandry,

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT