Sambany hatramin’ny nisiany, herintaona mahery izao, no naneho hevitra manakiana ny tsy mety ataon’ny mpitondra ny Raiamandreny Mijoro.
Nahitsy ireo mpikambana tamin’ny fanambarany raha nilaza fa misy ny mpitondra sasany izay manararaotra izao tetezamita izao hanaovana raharaha “maizina” toy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, asa fampihorohoroana isan-karazany, fanararaotam-pahefana, kolikoly amin’ny Iafiny rehetra any amin’ny sampandraham-panjakana isan-tsokajiny izay tokony hisehoan’ny fanompoana ny vahoaka, eny fa na dia any amin’ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana aza dia ahitana izany toe-javatra izany. Notsikerain’ny Raimandreny Mijoro koa ny fitarazohan’ny tetezamita izay hararaotin’ny mpitondra sasany hangoronan-kerana sy tombontsoa eo ambonin’ny lohan’ny vahoaka.
Miantso ny mpitondra izy ireo hametraka ny fitonian-tsaina ho an’ny vahoaka, ny fampijoroana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, ny fandaniana ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, ny satan’ny antoko politika, ny satan’ireo filoham-pirenena teo aloha, ny satan’ny mpanohitra, ny «code d’éthique politique», ary ny lalàna momba ny fanonerana ireo niharam-pahavoazana noho ny doro trano sy orinasa ary ny famoahana miaraka ny tetiandron’ny fifidianana rehetra atao amin’ity taona ity.
Miangavy ireo vondrona politika 11 hanao sonia ny tondrozotra nasiam-panitsiana koa izy ireo. Tsy mazava anefa ny sori-dalana nasiam-panitsiana tian’ny Raimandreny Mijoro hambara na ilay navoakan’ireo filoha tany Sandton izay nohamafisin’ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Eoropeanina na koa ny ilay fanitsiana nataon’ny Dr Salomao ka nampitondrainy an’ny Dr Leonardo Salomao. “Izay fanitsiana entin’ny SADC no izy”, hoy Rakotomanana Honoré raha nitondra fanampim-panazavana izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.