Politique

Raiamandreny Mijoro sy COSC Hanangona ny hevitry ny mpanao politika rehetra


  • Talata 03 Aogositra 2010


Ary taorian’ity fanangonan-kevitra ity dia mbola hihaona sy hifampidinika indray amin’ireo mpanao politika ny Raiamandreny Mijoro sy ny firaisamonim-pirenena, ka amin’ity herinandro ity no hanatanterahana izany araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Raiamandreny Mijoro. Izany no natao dia satria tena mpandray anjara fototra amin’ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, avy amin’izy ireo matetika no hitrangan’ny olana sy ny fifandrafiana mitarika korontana sy savorovoro eo anivon’ny fiarahamonina. Ary avy amin’izy ireo ihany koa no ahitana ny vahaolana politika. Araka ny nambaran’i Velompanahy Aristide dia hiezaka ny hanatona sy hifampiresaka amin’ny ankolafy politika rehetra ny Raiamandreny Mijoro sy ny firaisamonim-pirenena, na dia teo aza ireo ankolafy tsy nety nandray anjara tamin’ny Dinika Santatra. Mikasika ity farany ity moa dia efa nanomboka omaly ny fandinihana ny soso-kevitra rehetra, ary nanome toky ny mpikarakara fa tsy maintsy hojerena avokoa ny soso-kevitra voaray rehetra.

Roa herinandro eo ho eo no heverina fa ilaina amin’ny fandinihana izany. Efa misy ihany anefa ny antontan-kevitra momba izay zavatra tena nisongadina nandritra ny Dinika Santatra, ka izany no ampahafantarina sy hanaovana tatitra amin’ireo mpanao politika. Ary andrasana ihany koa izay mety ho soso-kevitr’izy ireo, araka ny fanazavan’i Velompanahy Aristide ihany. Ny avy amin’ireo ankolafy telo anefa dia mbola manamafy ihany hatramin’izao fa tsy mety ary tsy azo ekena iny Dinika Santatra natao tao anatin’ny firotorotoana iny ; mbola maro ny zavatra tokony halamina mialoha izany, araka ny hevitr’izy ireo, toy ny famotsorana ny gadra politika. Manontany tena ny maro hoe hanaiky ny hifampiresaka amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny COSC no sady hanolotra soso-kevitra ary ve ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert sa tsia. Fandresena politika lehibe ho an’ny mpikarakara sy ny fitondrana tetezamita mantsy raha manaiky ny hiresaka sy hanolotra soso-kevitra ireto ankolafy telo ireto, satria azo adika avy hatrany izany fa manaiky ihany ny Dinika Santatra izany ry zareo. Raha toa ka tsy manaiky kosa anefa izy ireo dia ho dradradradrain’ny ankolafy Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy fa tena sakana amin’ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy. Ho hita eo ihany ny mety ho tohiny !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT