Politique

Raiamandreny Mijoro sy Coalition des sociétés civiles : «Fitaovana hanamafisana orina ny FAT”, hoy i Lalatiana Ravololomanana


  • Alarobia 07 Jolay 2010

Noraisin’ny Raiamandreny Mijoro sy Coalition des sociétés civiles an-tanana ny fikarakarana ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena izay fandaharanasa nambaran’ny filohan’ny FAT fa hivoahana amin’ny krizy.

Matoa misy ny fandraisan’andraikitry ny fiarahamonim-pirenena isan-tsokajiny dia mahatsapa ny rehetra fa tsy azo avela amin’ny hantsana lalina misy azy efa 18 volana izao ny firenena, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Notsindriany aza fa tsy misy maharatsy ny fanatanterahana ireo karazana dinika ireo saingy toheriny kosa ny fomba fanatanterahana azy. “Ny fametrahana ny tetezamita iarahana no tokony hialoha lalana ny dingana tontosaina rehetra fa raha io dinika santatra sy fihaonambem-pirenena amin’ny endriny amin’izao io dia fanamafisana orina ny fanjakana tsy ara-dalàna ankehitriny”, hoy ity filohan’ny Manda ho an’ny Firaisampirenena ity. Ankoatra izay dia nambarany fa mampisalasala koa ny momba ireo milaza azy fa mpikarakara. “Tena azo antoka tokoa ve fa tsy miandany sy tsy mitanila ireo Raiamandreny Mijoro sy mpikambana ao amin’ny Coalition des sociétés civiles ireo satria i Velompanahy Aristide, ohatra, dia mpitarika antoko politika ary iaraha-mahalala koa fa olomboafidy avy amin’ny antoko Avi ny pastora Ramino Paul. Olona miandany amin’izao tsy fahombiazan’ny mpitondra izao ireo olona ireo fa tsy hanatanteraka ny fampihavam-pirenena marina izay tsy azo ivalozana”. Tsy nitsikera fotsiny moa ny tenany fa nanome soso-kevitra ihany koa. Aminy dia tokony ny fitambaramben’ireo fiarahamonim-pirenena rehetra mihitsy no miara-mirotsaka amin’ny fanelanelanana hialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana fialokalofan’ny mpanao politika amin’ny fikambanana sasany “Raha tody izay tanjona izay dia tontosa ny famahan’ny Malagasy samy malagasy ny krizy”.

Nitondran’i Lalatiana Ravololomanana fanazavana koa ny momba ny fandaharam-potoan’ny ankolafy 3. Nambarany fa hitohy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny fihaonana amin’ny vahoaka ampahafantarana ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Tsy maintsy hisy, hoy izy ny fihaonana amin’ny vahoakan’i Fianarantsoa raha namaly ny fanambaran’ny Pds-n’ny Fianarantsoa Pety Rakotoniaina ny tenany. “Tsy matahotra fampihorohoroana izahay ary Malagasy koa ny tena ka tsy voafehy na iza na iza amin’izay faritra tiana haleha”. Raha tsiahivina dia nanambara i Pety Rakotoniaina fa hisambotra izay olona mikarakara ny fandraisana ny fahatongavan’ireo mpitarika ny ankolafy 3 any an-toerana. Amin’ny herinandro ambony moa no saika hanatontosana ny fitetezam-paritra izay handalo ao an-drenivohitry ny faritra Matsiatra Ambony saingy hahemotra amin’ny herinandro manaraka izany noho ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc eto an-toerana ankehitriny sy ny fihaonana amin’ny delegasiona avy amin’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny faran’ny herinandro izao raha ny nambarany ihany.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT