Politique

Raiamandreny Mijoro Mpisolovavan’ny FAT


  • Alakamisy 23 Septambra 2010

Mpiara-mikarakara ny fikaonadoham-pirenena notontosaina ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra teo tao amin’ny ivotoeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato no namantarana ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana, ity farany izay voalaza fa vondron’ny fiarahamonim-pirenena miisa 42.

Nanambara ny filoha nasionalin’ny Raiamandreny Mijoro, ny pastera Ramino Paul fa nomen’ireo mpizaika andraikitra hiaro sy hanara-maso ny fampiharana ireo fanapahan-kevitra miisa 106 nandritra ny fikaonandoham-pirenena koa izy ireo. Naverimberiny hatrany fa “masi-mandidy sady tsy azo ivalozana ny hevitry ny maro an’isa ka tsy maintsy tanterahina faran’izay haingana” ary izay indrindra no nahamaika ireto mpikarakara ireto hanatitra tany amin’i Andry Rajoelina ny tatitry ny fikaonandoham-pirenena ny ampitson’ny fahavitany. Toa lasan-ko vavany fotsiny anefa izany fanambarany izany manoloana ny fiantsoan’ny FAT ny olom-pirenena feno taona hiatrika fifidianana Ben’ny tanàna ny 20 desambra 2010 izao. Voalohany dia ny fanesorana ireo Ben’ny tanàna am-perinasa no lanieran’ny maro an’isa fa tsy fanatontosana fifidianana akory. Faharoan’izay dia ao anatin’ny vanimpotoan’ny fahavaratra tanteraka ny datin’ny 20 desambra izay heverin’ny FAT fa hanatanterahana io fifidianana Ben’ny tanàna io.

Mazava tsara mihitsy anefa ny tapaky ny mpizaika teny Ivato fa “tsy maintsy” amin’ny vanimpotoana maintany avokoa no iantsoana mpifidy. Eo anatrehan’izany rehetra dia mipetraka ny fanontaniana hoe tena mijoro amin’ny andraikitra andrasana aminy araka ny nifanarahana teny Ivato tokoa ve ireto Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana ireto? Raha nanontaniana tokoa mantsy ny hevitr’ireo lohandohan’ny mpisorona ao aminy avy dia toa ahitana taratra fiandaniana amin’ny mpitondra ny valin-teniny. “Famerenana amin’ny vahoaka ny fitantanana ny Kaominina amin’ny alalan’ny fomba demokratika iny fanapahan-kevitry ny fanjakana iny”, hoy i Dox Didier Zabofigera, mpikambana ao amin’ny Finoana.
Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety ny fandaniam-bola sy ny hevitra tinapaka teny amin’ny Fikaonandoham-pirenena ireto mpikarakara omaly, teny amin’ny biraony teny Ampefiloha. Fantatra tamin’izany fa ny 91%-n’ireo sosokevitra naroson’ireo vaomiera isan-tokony dia nankatoavin’ny mpizaika avokoa. Ankoatra izay dia mitentina 1 miliara sy 789 tapitrisa ariary ny vola lany tamin’ny fitaterana. Tsy voaresaka kosa ny lany tamin’ny sakafo sy ny vatsin-dalàna. Efa nahazo dika mitovin’io tatitra io koa ny fiadidiana ny praiministra sy ny komity fakan-kevitra momba ny lalampanorenana.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT