Politique

Raiamandreny Mijoro Mila ranondranony sahady


  • Alatsinainy 20 Septambra 2010

Nandefa tatitra any amin’ny masoivoho vahiny sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa (anisan’izany ny SADC) momba ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena ny Raiamandreny Mijoro.

Izany no natao dia ny mba handresena lahatra azy ireo fa tena nahasolo tena ny vahoaka Malagasy tokoa ireo nivory teny Ivato, ary mifanaraka amin’ny fiovana notakiana ny fehin-kevitra tapaka tao. Nahagaga ny maro ihany izany fihetsika izany, satria tsy vitsy tamin’ireo mpikarakara iny fihaonambem-pirenena iny no namerimberina fa vitantsika (?) ny famahana ny krizy, na manampy na tsia ny avy any ivelany, ary tsy tokony hiangavy lava ny fankatoavana avy any ivelany izany isika.

Mitovitovy amin’izay ihany moa ny fomba fitenin’ny mpitondra FAT. Ankehitriny anefa dia hita fa miendrika filana ranondranony amin’ny vahiny ihany ity fandefasana tatitra nataon’ny Raiamandreny Mijoro ity. Tsy mahafaly ireo mpiara-dia sy mpanohana ny FAT izany satria hoe mandany taratasy sy ranomainty fotsiny ireo nandefa ny tatitra, fa efa azo an-tsaina ihany no mety ho valin-teny. Fa ho an’ny mpandinika ny vaovao politika dia karazana fiarovan-tenan’ny Raiamandreny Mijoro eo imason’izao tontolo izao mba tsy hosoketaina tahaka ny FAT, no antony nandefasana ilay tatitra. Azo adika koa izany fa mety tsy handà ny fampihaonana tsy maintsy hotanterahin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Raiamandreny Mijoro, na dia efa nanambara aza, fa tsy hisy intsony ny fihaonambem-pirenena.

Tsy azo adinoina tokoa mantsy fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny tontolo politika ireto Raiamandreny Mijoro ireto ka tsy afaka miala tsimoramora fa tsy maintsy mandray anjara mavitrika amin’ireo karazam-pivoriana hamahana ny krizy. Karazana fampiomanana mialoha ny saim-bahoaka sahady izao natao izao, satria tsy maintsy hisy indray ny fihaonambe manaraka hokarakarain’ny CNOSC, izay tohanan’ny avy any ivelany. Tsy azo ihodivirana izy io, na ahoana na ahoana filazan’ireo miseho azy ho mahay politika. Hoy indrindra ny fomba fitenintsika malagasy manao hoe : diavolan-ko lava, ny lalao mbola ho ela. Amin’ny maha raiamandreny azy, dia efa mba manana traikefa ihany ary afaka tsara mandinika izay mety hitranga amin’ny hoavy ny Raiamandreny Mijoro, ka mba tsy ho ratsy eo imason’ireo zanaka sy ny mpiara-monina dia naleon’izy ireo aloha mody manambitamby ny avy any ivelany ihany, sao dia … !

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT