Politique

Raiamandreny Mijoro Mampiahiahy ilay volabe tany amin’ny Jly Rakotonandrasana


  • Alarobia 24 Novambra 2010

Fikambanan’ireo nitonon-tena ho ‘raiamandreny, olon-kendry’ ilay fikambanana antsoina hoe “raiamandreny mijoro izay niforona tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny volana mey tany ho any.

Zokiolona manana traikefa ary feno fahavononana hamaha ny krizy izy ireo izay avy amina finoana sy fiaviana samy hafa. Anarana tsy dia zoviana amin’ny maro no mivondrona ao anatin’ity fikambanana ity. Anisan’ireny i Tilahy Robert, Madeleine Ramaholimihaso, Ramino Paul, Gisèle Rabesahala, Céline Ravao, ny jeneraly Razafitombo Léon, Perry Rasolondraibe, Mpanjaka Tsiharaso IV, Njara Ernest, Razafindrainibe Parson, Randrianjanaka Georges, mompera Ratongavao Charles, ny mpanjaka Ramahasitrakarivo. Nilaza ho tsy momba ny atsy na ny aroa izy ireo. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia taratra teny ihany nisy mizana nitongilanan’izy ireo. Taorian’ny raharaha BANI dia velona ny fanadihadiana sy famotorana ary fisavana ny tranon’ireo ahiana ho atidoha nikotrika sy ireo nandray anjara tamin’iny hetsika iny.

Anisan’ireo novangian’ireo mpitandro ny filaminana ny tranon’ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina izay nahitana antontan-taratasy mirakitra ireo handrafitra ny fitondrana nokasain’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena hajoro. Taratasim-bola telo kosa no tratra tao amin’ny fonenan’ny jeneraly Rakotonandrasana Noel. Ny iray mitentina 200 tapitrisa Ariary, ny iray 16 tapitrisa ary ny fahatelo dia 3 tapitrisa Ariary. Araka ny fanadihadiana savaranonando dia an’ny Raiamandreny Mijoro ilay volabe 200 tapitrisa ariary na iray miliara Iraimbilanja. Ny jeneraly Rakotonandrasana rahateo moa no mpitambolan’ity fikambanana ity. Omaly moa dia nampanantsoina, nofotorina teny amin’ny zandary izy. Tsy vitsy ireo mametra-panontaniana ny amin’izay niavian’ireo volabe ireo hoe hatao inona ? Ny manaitra, raha an’ny Raiamandrey Mijoro marina ireo, naninona no narirarira tamin’ny resa-bola ireo mpizaika tamin’ilay fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010 lasa iny ? Raha azy io vola be io, naninona no nimenona noho ny tsy fahampiam-bola ny Dinika Santatra teny anivon’ny Distrika ka nanjary kitoatoa ny fanatanterahana azy ?

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT