“Vonjeo ny fanahinay satria lalim-paka ny tsy fahamarinana eto amin’ny firenena, lainga avokoa izay hita sy re; ary izay tsy manao izany aza dia tratry ny fiteny hoe ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra”, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly.
Tsy hiadian-kevitra, hoy ireo raiamandreny ara-panahy fa izay tsy fahamarinana izay no nampidi-kizo ny firenena ka nahatonga ny maro an’isa mihevitra fa ny fanaovana politika dia midika ho fahaizana mandainga. Fanontaniana moa no apetrak’izy ireo momba ny rafitra natsangan’ny FAT hanao ny fanelanelanana sy ny dinika nasionaly dia ny Raiamandreny Mijoro sy ny Coalition des organisations de la Société Civile. Azo antokoa tokoa ve, hoy izy ireo ny tsy fiandaniana sy ny fahombiazan’ireo milaza azy ho Raiamandreny Mijoro sy Coalition kanefa fantatra fa mpanao politika miara-dia sy manohana ny FAT no maro an’isa sy mitarika ao. Ny FAT no nampijoro azy ireo irery fa tsy nierana, ary dia notsofin’ny filohan’ny FAT rano izy ireo ka nahazo ny fankatoavany. Araka ny fahitan’ny HMF azy ihany dia tsy mitsahatra ny mivoy ny hevitra rehetra efa nizirizirian’i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy ireo Raimandreny Mijoro sy ny Coalition.
Raha ny zava-misy, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia ireo sokajina mpitondra fivavahana manana lonilony ao amin’ny fiangonana misy azy sady manaratsy endrika ny fiangonany no anisan’ny miezaka mijoro ho Raiamandreny Mijoro sy Coalition. Ho an’ny HMF dia vondron’olona efa vonona hanao hitsin-dalana amin’ny famahana ny krizy, araka ny fomban’ny FAT ireo ka tsy te hiresaka ny tena zava-misy marina, toa ny gadra politika, ny fanenjehana, ny andramena, ireo sesitany. Nahitsy teny ny HMF nilaza fa mitovy tsy misy valaka amin’ny zavatra kendren’i Andry Rajoelina ny kendren’izy ireo. Miankin-doha ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny FAT izy ireo ka tsy maintsy hanao tatitra amin’izay nanome vola sady hangataka izay ilaina aminy. Fanontaniana maro moa no napetraky ny HMF izay hiantsoan’izy ireo ny olom-pirenena rehetra mieritreritra sy manaja ny Fahamarinana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.