Politique

Raiamandreny Antemoro “Mizaka ny tsy eran’ny aina ny vahoaka Malagasy”


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010


«Tena anjakan’ny tsindry hazo lena sy mizaka ny tsy eran’ny ainy ny vahoaka malagasy, indrindra ireo faritra verezin-jo amin’ny vokatry ny taniny. Anisan’ireny, ohatra, ny any Soalala izay mamokatra vy. Tsy mba misy ny tetikasa na dia fanamboaran-dalana aza amin’ireny faritra ireny mba hamoahana ny vokatry ny tany ary hialana amin’ny fitokana-monina ny faritra. Ny vahiny dia mambabo tsy misy antra ny fananam-pirenena. Hita fa mifanao ranolava mivarina any amin’ny fahantrana ny vahoaka Malagasy», hoy ny fanambaran’ny Raiamandreny Antemoro mikasika ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tamin’izany ihany koa no nilazan’izy ireo fa mitana tsiambaratelo goavana eto amin’ny tantaran’ity firenena ity ny foko Antemoro. «Tsinontsinoavina izy ireny ka izay no mahatonga ny firenena tahaka izao. Na ny zava-misy amin’izao aza dia hita fa atao tsinontsinona ny zanak’Antemoro», hoy ihany ilay fanambarana. Manoloana ny zava-misy ataon’ny FAT hanao ny fihaonambem-pirenena dia manahy ireto vondron’ny Raiamandreny Antemoro ireto fa hatao tandrametaka ny hoavin’ny firenena amin’ny hananganana repoblika faha-4. «Saino sahady, hoy izy ireo fa tsy hateza izany ka hiova repoblika faha-5 indray izay tsy mbola fantatra ihany koa». Anisan’ireo noderain’ity vondron’ny Raiamandreny Antemoro ity moa ny fijoron’ny fikambanana CR7 na ny Cercle de Réflexion Fitovignany. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT