Politique

Raharinirina Jacques Aimé Tokony hohajaina ny fety kristianina


  • Alarobia 26 Desambra 2012


 Na dia efa somary mangingina ihany aza amin’ny ankapobeny ny eny anivon’ny CST Anosikely sy CT Tsimbazaza noho ireo mpikambana ao aminy avy efa lasa namonjy ny toerana misy azy avy noho ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona, dia mbola am-perinasa kosa ireo CST mpikambana ao anatin’ireo kaomisiona parlemantera hanao fanadihadiana mikasika an’ireo raharaha mafampana eto amintsika tamin’ny faran’ity herinandro nivalona teo iny. Tsotra ny antony, hoy ny CST Raharinirina Jacques Aimé, mba tsy hisian’ny fotoana very dia manenjika mametrapetraka ny antsipirihan-javatra sy ny resaka teknika hoentina manantanteraka izany asa izany.

Na izany aza dia ilaina ny fitoniana kely ara-politika ho an’ity CST avy amin’ny Tambatra/Les As ity raha tarafina amin’ny valinteny nomeny ny Tia Tanindrazana. Marina fa tena mandia fotoana faran’ny sarotra isika raha ampitaintsika amin’ny tantara nolalovan’ny firenena teto amintsika tato anatin’izay fahaleovantena izay, hoy izy. Tena saro-toerana isika amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha Kristianina ny ampahany betsaka indrindra amin’ny mpiara-belona amintsika anefa, hoy ny CST Raharinirina Jacques Aimé, na ny finoana hafa aza dia manaiky fa mba tokony hohajaintsika ireny mpiara-belona amintsika ireny mba hanao Noely na Krismasy tsara ary mba maka hery koa amin’ny finoana ahazoana miatrika ny ampitso satria ny Noely mandalo hakana hery hakana saina hitsarantsika ny nety sy tsy nety mba hitondrantsika hery koa hanatanterahantsika ny raharahantsika manomboka ny 2 janoary 2013 raha sitraky ny Zanahary ao ambony.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT