Ity fanovana indray maka ity no atao hoe « Retouche salobokomana », hoy ny mpanao politika mpandrindra nasionaly ny antoko Tambatra, Raharinirina Jacques Aimé.
Nalefa ao amin’ny serasera indray ny olo-malazan-dRajoelina taloha, Atoa Rolly Mercia, hoy izy, ny dikany dia samy midoboka an’ity filohan’ny tetezamita ity avokoa ny rehetra hoe : « hanao inona fa lasako ny mpivazavaza fa eto amiko indray izy izao no mandokadoka ? Nampidirina ny olona efa teo taloha ihany, Lanto Rasoloelison, ho minisitry ny rano sy angovo ary akoranafo mba handresena ny delestazy mampikaikaika vahoaka ka azo ilazana fa aleo hitory izay hitory fa ny anay mianakavy tsy maintsy mitohy ny asa. Nesorina ny ministry ny rano, Rolland Ravatomanga, izay midika hoe : mitabataba loatra ianao Rtoa ben’ny tanànan’Iarivo sady tsy manaja anay manatrika ny fametrahana ny vatofehizoro tetsy Andohatapenaka ka hakisakay ny minisitrareo ka hanao inona ? Nesorina ny minisitra Paza Didier mba ho tapi-maso amin’ny vahoaka hilazana fa tsy voafehiny ny fandriampahalemana sy ny fitsaram-bahoaka. Natao sekreteram-panjakana misahana ny fiaraha-miasa sy fampandrosoana Atoa Rafatrolaza Bary Emmanuel hanambarana amin’ireo mpamatsy vola fa mihaino anareo izahay ka mba havohay amin’izay ny vola. Tsy nanova « Système » misy ity fanovana governemanta ity ka maninona izahay no tsy mba higoka ny mamy amin’izany « Système » izany tahaka ny nitavanan’ireo mpitondra teo alohanay (Ravalomanana sy Rajoelina) izany ? Azo ambara, hoy Atoa Jacques Aimé, fa matanjaka be ireo olona manam-pifandraisana sy akaiky ny filoham-pirenena dia ireo mpanolontsaina sy praiministra mpitaty ràn-kena sy mpaka ranondranony ka noho izany dia tsy ho voakitikitika mihitsy ireo heverin’ny vahoaka fa nanampatra ny heriny tamin’ny fananam-bahoaka ka na dia nanao ny asany aza ny Bianco sy ny Smm ary ny Samifin dia manahy aho, hoy ity Cst taloha ity, fa hahita raha ny DG-n’ny Bianco.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.