“Araka ny Sata sy ny Fitsipi-pifehezana anatiny mifehy ny antoko Tiako I Madagasikara, dia ny Filoha Nasionaly irery ihany no afaka miantso ny Fihaonambem-pirenena na ny Filankevi-pirenenin’ny Antoko. Noho izany ireo fihaonana na fivoriana isan-karazany natao sy notarihin’Atoa Raharinaivo Andrianatoandro amin’ny anaran’ny Antoko dia tsy ara-dalàna avokoa. Ary ireo fanambarana nataony amin’ny anaran’ny antoko dia sady tsy misy fiantraikany mihitsy na mamatotra velively ny Birao politika amin’izay fanapahan-keviny. Ny birao politika dia mihevitra fa ny fihetsika nasehon’ireto olona nisintaka ireto dia fanitsakitsahana tanteraka ny fepetra hifampifehezan’ny Antoko, mandray izany ho fikomiana amin’ny rafitry ny Antoko, ary ho famadihana ny fenitra sy ny sori-dalan’ny antoko Tiako i Madagasikara, indrindra amin’izao vanim-potoana manahirana izao”.
Santionany amin’ny fanambarana fanitsiana nataon’ny birao politikan’ny TIM io, ka nosoniavin’ny filoha nasionaliny, Yvan Randriasandratriniony, izay nanamafy fa dia tsipahan’ny birao politika ireo fanambarana feno fitaka nolazaina tamin’ny anaran’ny antoko sy ireo fafy lainga aelin’ireo antokon’olona nisintaka. Manameloka ihany koa ny fampiasan’izy ireo an-tsokosoko ny antontan-taratasy momba ny TIM. Araka izany àry dia mampatsiahy ny birao politikan’ny TIM fa “ny antoko dia tsy mandray anjara mihitsy amin’ireo rafitra peta-toko napetraky ny FAT samirery ary tsy nanome alalana na iza na iza hisolo tena azy ao anatin’ireo rafitra ireo ; tsy mahasolo tena ara-dalàna ny TIM Raharinaivo Andrianatoandro na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ary na amin’ny rafi-panjakana inona na rafi-panjakana inona”.
Ankoatra izay dia nanapa-kevitra ny birao politikan’ny TIM fa “hahantona avy hatrany tsy misy hatakandro, tsy ho mpikambana ao amin’ny antoko TIM intsony Raharinaivo Andrianatoandro sy ireo rehetra nanara-dia azy. Heverina ho toy ny tsy nisy sady tsy manan-kery ireo fanambarana rehetra nataon’Atoa Raharinaivo sy ny mpanara-dia azy”. Manentana ireo mpikambana rehetra sy ny vahoaka malagasy tsy vaky volo koa ny birao politika ho mailo hatrany ka tsy handray anjara na hirotsaka amin’ireo fifidianana kasain’ny FAT hatao samirery.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.