Politique

Raharinaivo Andrianatoandro «Misandoka andraikitra», hoy i Raharisaina Hery


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010

Manamafy ny DR Raharisaina Hery anisan’ireo parlemantera Tiako I Madagasikara (TIM) miara-dia amin’ny Ankolafy Telo fa tsy vahaolana ivoahana amin’ny krizy mihitsy ny nananganana ny CST (Filankevitra ambonin’ny tetezamita) sy ny CT (Kongresin’ny tetezamita) amin’izao firafitra sy endriny izao.

Rafitra tsy eken’ny rehetra ary tsy ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo ka azo sokajiana ho rafitra sandoka sy famitaham-bahoaka araka ny nambarany tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo. Tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin’ny resaka an-databatra boribory ihany no tena mety, ary tsy maintsy ahitana ireo filohan’ny Ankolafy Efatra nanatrika ny fihaonana tany Maputo izany, izany hoe Atoa isany Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Zafy Albert ary Andry Rajoelina. Mazava ho azy fa tsy maintsy eo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena io fihaonana io, mandray anjara mavitrika amin’izany koa anefa ireo mpanelanelana eto an-toerana, izay eken’ny besinimaro, fa tsy olon’ankolafy tokana tahaka ireo nikarakara ny fihaonambem-pirenena tandrametaka farany teo.

Mikasika ireo parlemantera TIM nanaiky ny hotendrena ho mpikambana ao amin’ny CST sy ny CT kosa dia nanamarika ny depiote Raharisaina Hery fa tsy nahazo tsodrano avy amin’ny antoko sy ny birao politika mihitsy izy ireo, fa dia nanao izany tamin’ny alalan’ny tenany manokana, tsy filohan’ny Tiako i Madagasikara izany Raharinaivo Andrianatoandro fa misandoka andraikitra sy misora-tena fotsiny, araka ny filazany ihany. Noho izany rehetra izany dia fitaka bevava ataon’ny vahoaka ny filazana fa efa ahitana taratra ny fiaraha-mitantana ny parlemanta natsangan’ny FAT, satria dia olona mitovitovy hevitra sy maika amin’ny fizarana seza no niditra tao fa tsy tena olona mikaroka izay mahasoa ny vahoaka malagasy, hoy ihany i Hery Raharisaina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT