Mazava ny resaka ankehitriny. Miseho vatana ankarihary izao ry Raharinaivo Andrianatoandro sy ireo vitsivitsy mpomba azy manao sakeli-mihoajoro na koa mamita iraka hanapotika tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana.
Fa maninona ? Mazava ny tantara. Nikomy tamin’ny fitondrana Ravalomanana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry Rajoelina ny taona 2009. Nisarangotra tamin’ity farany ireo mpanohitra tamin’izany fa hanongam-panjakana. Ny namotika tanteraka izay mety ho fananan’ny filoha Marc Ravalomanana no tetika nataon’izy ireo. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nisy. 26 janoary 2009, may kila hotohoto rehefa mety ho Tiko sy Magro nanerana ny Nosy rehefa avy norobaina. Tsy nisy niangana koa rehefa mety ho MBS, haino aman-jery fananan’ny ankohonana Ravalomanana. Tsy resahina ny fahaverezan’asa mivantana an’arivony naterak’izany. Tsy nilofika fa nijoro hatrany anefa ny filoha Marc Ravalomanana. Izy indray aza no mbola nampahery ny vahoaka Malagasy ary nanaporofo fa ny lehilahy tsy boka herintaona. Rehefa izay, dia nihazakazahan’ny FAT indray ny nanameloka azy ara-pitsarana. Nisesisesy izany teo anelanelan’ny jona 2009 ka hatramin’ny 28 aogositra 2010 teo. Teo ny raharaha fividianana ilay fiaramanidina “Air Force One II” an’ny fanjakana, ka nanamelohana azy efa-taona an-tranomaizina sazy mihatra sy onitra 70 tapitrisa dolara amerikana. Mitovy sazy aminy koa ny ministry fitantanam-bola sy ny tetibola tamin’izany, Haja Nirina Razafinjatovo.
Tsy nijanona teo fa nitohy tamin’ny raharaha tany eny Andohatapenaka, izay saika hanorenana orinasa fanamboarana sakafom-biby fiaraha-miasa tamin’ny FAO, manginy fotsiny ny raharaha Daewoo nisiana tetikasa hamokarana katsaka amina velaran-tany midadasika iarahana tamin-dry zareo Koreana Tatsimo, ary vao farany teo ny raharaha 7 febroary, nanamelohan’ny fitsarana misahana ny heloka bevava azy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty. Raha niditra nivantana an-tariby tao amin’ny Magro Behoririka moa Atoa Marc Ravalomanana, ny alatsinainy 30 aogositra, teo dia nilaza fa “tsy misy fiantraikany velively aminy ireny fitsarana nanamelohana azy ireny fa (…) entina handotoana fotsiny”. Mazava loatra fa sahiran-tsaina ary fanina tanteraka mihitsy aza ny FAT manoloana izany. Ny firenena tantanany miha rendrika, ny Malagasy mandry fotsy ny ankamaroany, ny tany tsy mandry fahalemana, ny mpanohitra mitombo isa isan’andro vaky, izy mpitondra voasazy rahateo, ny famatsiam-bola avy any ivelany anefa tankina tanteraka. Fehiny : mivoaka sempotra ny FAT, na dia efa nampiasaina avokoa aza ny tetika azo natao rehetra : herim-pamoretana, fandrahonana, famonjana izay tsy mitovy hevitra aminy, nivezika tatsy nivezika taroa nanambitamby tany ivelany tany. Tapi-dalan-kaleha ihany nefa tsy nahita vokatra akory, dia ilay fankatoavana iraisam-pirenena izany. Notendrena ho mpikambana FAT i Tsiandopy Jacky, izay tao anaty birao politikan’ny Tiako I Madagasikara fa e e e ! Natao tao anaty governemanta ry Manorohanta Cécile ary nomena toerana praiministra lefitra mihitsy ary notovanana an’i Alain Andriamiseza, fa hoe Legalista koa ity farany, fa vao mainka aza niantso sazy iraisam-pirenena ny fisian’izy ireo tao.
Ny Raiamandreny Mijoro sisa no bala farany hany fanantenan’ny FAT nefa tsy mahavaha olana koa.Dia nitady mersenera politika ny FAT. Ry Raharinaivo sy ireo mamba seza no hitany. Dia io tokoa fa manao sakeli-mihoajoro manohitra raiamandreny. Namoaka taratasy mazava ny filoha Marc Ravalomanana, milaza sy manome fahefana an’i Fetison Rakoto Andrianirina sy Mamy Rakotoarivelo hisolotena ofisialy ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Tiako I Madagasikara amin’izay dinika hatao ka tafiditra amin’ny famahana ny krizy. Tsy nahazaka fa ny ampitson’io ihany, mantsy ny omaly alarobia, ry Raharinaivo dia nampiantso fivoriana teny Ankorondrano teny. Filankevitra nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara no nilazan’izy ireo azy. Gaga ny maro ! Fanomezam-pahefana avy amin’iza no nahafahana milaza sy nanaovany izany, satria araka ny fantatra dia mbola eo ny filoha nasionalin’ny antoko, Randriasandratriniony Yvan, fa tsy hoe nametra-pialana, ary tsy misy taratasy na fanomezan-dalana avy aminy miantso io filankevitra nasionalin’ny antoko io. Tsy vitan’izany fa nanapa-kevitra ny mpivory tao Ankorondrano omaly fa hanangana “birao” hitantana ny Tiako I Madagasikara, ka nanendry an-dRaharinaivo Andrianatoandro ho filohany miampy an’i Ngolo Gilbert, Mananjara Fidison na Rasomotra, Kembazanany Annick Chantal, Dina Jeanne, Houssein, Bary Rafatrolaza ary Benaivo Narcisse ho mpikambana ao anatin’izany, mandra-pisy ny kaongresy nasionaly (hono). Hanetsiketsika indray ny antoko mandra-pisian’ny fifidianana fanavaozana birao moa no nambara fa antony nananganana io birao vonjimaika io.
Miharihary amin’iny fivoriana teny Ankorondrano iny fa olona tsy tan-dalàna ireo nivory tao. Io fivoriana io koa dia midika ho fitsipahana sy tsy fanoavana tsotra izao ny filoha mpanorina ny antoko. Hihena manaraka izay ny lanjan’ny Tiako I Madagasikara eo amin’ny sehatra politika anatiny. Koa satria politika no resaka, fanta-dRaharinaivo sy ireo mpiara-dia aminy tsara fa rehefa mihena ny herin’ny antoko sy ny lanjany dia ho saro-toerana ny mpitarika azy amin’izay fifampidinihana hatao. Lasibatra voalohany amin’izany ny filoha Ravalomanana, satria horaisin’izay sehatra ifampiresahany any ivelany ho fahalemena, satria maivan-danja tsy to teny matoa tsy mahafehy ny olony intsony. Miharihary amin’izao koa fa nomen-dry Raharinaivo daka am-bavafo koa ireo nametraka fitokisana tamin’izy ireo tany amin’ny fari-pifidianana nahavoady azy tany. Izany hoe nosen’izy ireo, toy ny nataon-dry Rajoelina ny taona 2009 koa izao ny safidim-bahoaka sy ny ara-dalàna fa dia hanamasina mpanongam-panjakana izy ireo.
Saika Parlemantera, depiote na senatera, avokoa mantsy ireto miara-dia amin-dRaharinaivo. Izay no mahatonga ny resaka mandeha fa rehefa tsy vitan’ny FAT ve izany ny nifanandrina ara-politika ka hisedra fifidianana amin’ny filoha Ravalomanana, dia ry Raharinaivo Andrianatoandro indray ankehitriny no mijoro hanapotika azy ? Fahasahiana lehibe ny azy ireo, satria anatina sarintsarina tetezamita no isehoan’izany. Famonoan-tena ara-politika ihany, hoy ny maro ny azy ireo. Tsy atao mahagaga ihany anefa satria olona zatra omena seza fotsiny fa tsy “nitolona” ireo mpiara-dia aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.