Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Hanongam-panjakana indray …


  • Talata 21 Septambra 2010

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry olom-pirenena sy ireo mpanao politika mikasika ny fanapahan-kevitry ny mpizaika teny Ivato nandritra ny fihaonambem-pirenena farany teo.

Ny mahagaga dia na ireo mpizaika tao aza tsy resy lahatra fa tratry ny amboletra dia izay no niafarany. Ho an-dRaharinaivo Andrianatoandro dia midika ho famerenana fanonganam-panjakana ny firosoana amin’ny fanoloana PDS ireo Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka. “Ny fiverenana amin’ny ara-dalàna no takiana eto, anisan’izany famerenana amin’ny andraikiny ireo olom-boafidy, toy ny Parlemantera, ka tsy azoko ny hevitry ny olona nanolotra azy io?”, hoy ity mpanao politika nisintaka tamin’ny Tiako I Madagasikara ity. Tsy mandà anefa izy na izay aza, fa raha toa misy Ben’ny tanàna nanao tsirambina, dia rariny sy hitsiny raha esorina, fa raha esorina manta kosa dia hanasarotra ny fahazoana fankatovana iraisam-pirenena indray izany hoy ity depioten’Ambohidratrimo teo aloha ity.

Ho an’i Paul Rabary, mpandinika fiaraha-monina, dia nilaza fa tsy hitondra vahaolana ny fanoloana PDS ireo Ben’ny tanàna. Raha misy olana, hoy izy, dia karakarao mialoha ny fotoana ny fifidianana Ben’ny tanàna, dia aleo ny olona hifidy, raha tsy izay dia soloy delegasiona manokana hatramin’ny filohan’ny Fokontany. Milaza ho kivy tamin’iny fihaonambem-pirenena iny ny lehilahy raha ireny no fehin-kevitra nivoaka tao. Aminy dia sehatra natao hanamana oloana ny fihaonambem-pirenena fa tsy hanaparitaka olana miainga eto Antananarivo mankany amin’ny faritra indray. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT