Politique

Raharinaivo Andrianantoandro «Saro-piaro … izahay»


  • Zoma 23 Aprily 2010

«Ala nenina hamahana ny krizy ny fihaonana hatao any Johannesburg ka saro-piaro izahay ny amin’ny tsy maintsy ahitana vahaolana», hoy Raharinaivo Andrianantoandro, izay karazan’ny nitondra ny tenin’ireo ampahana parlemantera ao amin’ny Tiako i Madagasikara omaly.

Nilaza ny tenany fa nisy ny fifanatonana teo amin’ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Ravalomanana izay tena anisan’ny mpifanandrina amin’izao krizy lalina izao. Taorian’ny fifanatonana dia nisy ny soso-kevitra niarahan’ireo firehana roa ireo namolavola dia ilay antsoina hoe Fifanarahana ho an’ny fandriampahalemana sy ny fivoahana amin’ny krizy. Araka ny fanazavan’ity depioten’Ambohidratrimo ity dia manaja tanteraka ny fotokevitry satan’i Maputo io fifanarahana io ary efa nisy vahiny namaky azy ka manohana feno ilay soso-kevitra. Hoentina any Johannesburg hifampidinihana moa io soso-kevitra io, raha ny fanazavan-dRaharinaivo ihany. Fa ankoatra izay, dia nasiany tsindrim-peo manokana ny tolo-kevitra frantsay izay ambarany fa mifanipaka amin’ny voafaritry ny satan’i Maputo satria manaisotra ny fiaraha-mitantana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika sy ny fanafoanana ny Antenimiera roa. Raha jerena koa anefa ilay tolo-kevitra fifanarahana ho amin’ny filaminana sy ny fivoahana amin’ny krizy dia tsy mifanaraka loatra ihany koa amin’ny fifanarahan’i Maputo satria ankolafy roa ihany sisa tavela, dia ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, ary tsy dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fihavanam-pirenena sy ny fifamelan-keloka. Araka ny fanazavana, tsy tokony hatao tefy maika ny fananganana ny komity misahana ny Fampihavanana izay hotarihin’ny profesora Zafy Albert. Tsy manohitra ny CNR izahay, hoy Raharinaivo Andrianantoandro fa mametraka kosa fa mila dinihina tsara ny fananganana azy. Notsindriany manokana ihany koa fa tsy eken’izy ireo ny fanesorana ny Parlemanta, dia ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona satria mifanipaka amin’ny fiverenan’ny ara-dalàna izany. Ny Parlemanta, hoy izy no hany karazana rafitra manara-maso sy elanelam-panahy amin’ny mpanatanteraka. Momba ny dinika any Johannesburg moa, dia fantatra fa fito isaky ny firehana ny mpikambana amin’ny delegasiona. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana manokana dia mbola an-dalana ny fandinihana izay handeha hihazo an’i Afrika Atsimo.

 Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT