Samy efa nanambara ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena na Raharimanana Patrick na ny Pastera Mailhol. Samy filohan’antoko izy ireo, ny iray mpanorina ny «Vitatsika io» ny faharoa kosa filoham-boninahitry ny antoko Gideona, Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM) sady lehiben’ny fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara. Nihaona tao amin'ny foiben-toeran'ny Komity Manohana an'i «Vitatsika io» eo Ampefiloha ny roa tonta omaly talata 22 janoary 2013. Nanaporofo ny roa tonta fa na samihafa fomba fijery, na samihafa fihaviana, na samihafa finoana aza dia afaka mifanatona, mifandinika tsara momba ny raharaham-pirenena ny samy Malagasy.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.