Politique

Raharimampionona Misesy ny dinika fa “zéro” no vokany


  • Zoma 17 Septambra 2010

Voaresaka betsaka tao amin’ny Magro omaly ny amin’ny famotsoran-keloka dinihin’ny mpizaikan’ny fihaonambem-pirenena atao eny Ivato. Hafa ny atao hoe gadra politika sy ny mpanao politika migadra, hoy i Mektoub.

Notondroiny ary fa mpanao politika nigadra i Pety sy Voninahitsy ka tsy resaka famotsoran-keloka no tokony ho natao taminy, satria heloka tsotra no niampangana azy ireo. Nailiky ny mpizaika teny Ivato ho olona tsy azo omena famotsoran-keloka Atoa Marc Ravalomanana. Fanapahan-kevitra tsy mampiraika ity farany moa izany. Fanamarihana kosa no nataon’ny tao amin’ny Magro ary nijoroan’i Mektoub vavolombelona mihitsy aza, ka nilazany fa sady teny Ambohijatovo izy no teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ireny fihetsiketsehana notarihin’i Andry Rajoelina ireny, fa “rehefa nankany Ambohitsorohitra dia nanao ‘marche arrière’ aho”, hoy izy. Notohizany moa fa “tsy namono olona izany Atoa Marc Ravalomanana”.

Laviny koa ny fikasan’ny FAT sy ny mpizaika teny Ivato hamerina indray ny resaka tanindrana amin’ny fanendrena tomponandraikitra. “Aleo hitondra rehefa mahalala tsara ny Malagasy”, hoy izy. Mitohy tsy tapaka moa ny hetsiky ny Ankolafy Telo ao Behoririka na teo aza ny ramatahora samihafa sy ny fikasan’ny sasany handrava azy. Mikasika izay indrindra no nanaovan’ny depiote TIM voafidy tao Ikalamavony, Raharimampionona, fanamarihana omaly fa nandeha avokoa izao karazana dinika rehetra izao, fa mbola “zéro” ihany ny vokany. Aty amin’ny Ankolafy Telo izany ny lakilen’ny krizy, hoy izy. Hatramin’ny mpanao gazety vahiny no tonga nanaraka akaiky ny fivoaran’ny hetsika ao amin’ity toerana Behoririka ity.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT