Nivoaka tamin’ny fahanginany rehefa tsy hita firy nandritra ny volana maro sy tsy nilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny Maître Avoko, na Avoko Rakotoarijaona.
Araka ny resaka nifanaovana taminy ny sabotsy 15 mey teo dia nambarany fa latsaka an-katerena tanteraka ankehitriny ny firenena, ary mbola any amin’ny lalana tsy tokony ho izy ihany no alehantsika amin’izao fotoana ho famahana ny krizy. Tonga ankehitriny ny fotoana hitenenana tsy amin-kery na amin-tanjaka fa amin’ny fanahy, hoy ny Maître Avoko. Nambarany fa taorian’ny zava-nitranga tamin’ny 2009 izay efa tsinjony herintaona mialoha io, dia amin’ity 2010 no hamonjen’Andriamanitra sy hanasitranany an’i Madagasikara raha manaiky ny sitrapony isika sy miverina amin’ny loharano sy hasina nananan’ny Malagasy fahizay. Araka ny filazany dia lalan-tokana no hahafahantsika mivoaka, dia ny fanekena ny lalàmpanorenana avy amin’Andriamanitra ka ny baiboly no atao sori-dalana na «feuille de route» mba hananana mpitondra tia fahamarinana, tsy mandainga, tena matahotra an’Andriamanitra, tsy mpanamarin-tena, tsy manenjika ny hafa ary tia fihavanana. Nanitrikitrika ny Maître Avoko fa mila mibebaka sy mitodika amin’Andriamanitra ny Malagasy, fa izay ihany no hahavonjy azy sy hampanankarena ity firenena ity. Mikasika ny tetezamita kosa dia notsipihany fa ny ilaina voalohany dia ny fampihavanam-pirenena, izay tsy hidiran’ny mpanao politika sy ny miaramila. Araka ny heviny dia ireo mpitondra fivavahana sy olobe notsongaina isaky ny faritra, na ny foko no hikarakara sy hitantana izany. Aorian’izay dia tanterahana indray ny fikaonandoham-pirenena hiadiana hevitra sy handrafetana ny lalàmpanorenana, izay araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Araka ny vinavinan’i Avoko Rakotoarijaona ihany dia ho lasa firenena manana ny maha izy azy sy manankarena aok’izany i Madagasikara, afaka fito taona, izany hoe amin’ny taona 2017, raha toa ka manaraka an-tsakany sy an-davany ny sitrapon’Andriamanitra ny mpitondra sy ny vahoaka. Izy moa dia manao antso avo ho an’ny rehetra izay tena tia tanindrazana tokoa mba hanamafy ny finoana sy fahatokiana satria ho avy tsy ho ela, araka ny filazany, ny famonjen’Andriamanitra ity Nosy ity, izay tsy ho takatry ny saina. Araka ny filazany ihany dia tsy hoe hanao politika politisianina tahaka ny mahazatra tsy akory izy, na manana eritreritra hilatsaka hofidiana ; fa kosa anisan’ireo olona manana fahasoavana manokana ary mitondra ny hafatra avy any amin’ny Mpahary mba hanairana ny olona sy handresena lahatra azy ireo mba hitodika amin’Andriamanitra fa tsy hiasa araka ny saina sy ny hery fotsiny. Hisy ny fanazavan-kevitra sy hetsika hafa ho tanterahan’ny Maître Avoko sy ireo mpiara-dia aminy, afaka herinandro eo ho eo mba ho tohin’izao antso izao. Ho an’ireo afaka miserasera amin’ny alalan’ny Internet moa dia afaka mitsidika ny tranokala www.kf-anawi.com ho an’ny fanazavana misimisy kokoa sy ny andinindininy mikasika ity karazana foto-kevitra vaovao mipoitra, ho famahana ny krizy sy ho fanavotana ny firenena ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.