Politique

Raharaham-pirenena Niala tamin’ny fahanginany i Guy Willy Razanamasy


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010

Am-bolana maro, mba tsy ilazana fa efa an-taonany mihitsy no tsy nandrenesam-peo ingahy Razanamasy Guy Willy, praiministra tamin’ny fotoana tetezamita 1991- 1993.

“Mijaly ilay tranobe antsoina hoe : Madagasikara”, hoy izy. “Tsy mila manampahaizana vao afaka hamantatra ny ratra goavana manjo ny firenena ary tsy mila mpisikidy ihany koa vao hahita ny fanasitranana ho amin’izany”, hoy ihany izy. “Tetetezamia milamina, ahafahana manorina no takian’i Madagasikara”, hoy ihany izy. Am-pototry ny taona arivo fahatelo isika, vao avy nanamarika ny faha-50 taona nahazoana ny Fahaleovantena, ary mizotra ho any amina Repoblika vaovao. Ny zavatra tsapa anefa, hoy ity raiamandreny ity dia mitatra tsy nijanona ny fahalalahan’ny hafa, ny an’ny sasany anefa tsy nanomboka akory. Mety ho fotoana manan-tantara izao ho an’ny sasany, ary fotoanan’ny fahaverezan-toky kosa ho an’ny hafa.

Manoloana izany dia mila olona, tsy momba ny atsy na ny eroa ny firenena hitantana izany tetezamita izany. Io olona manana ny traikefa io no hamerina indray an’i Madagasikara amin’ny toerany satria raha ny fitondrana firenena, hoy ihany Razanamasy Guy Willy dia tsy vitan’ny di-doha, na koa ny fampisehoana politika. Noho izany dia mila tohanana izay olona izay, hoy ihany ity praiministra teo aloha ity. Hatreto aloha anefa dia tsy mbola nilaza mazava io ‘olona’ heverina fa tokony hotohanana io ingahy Razanamasy. Tombanan’ny maro ho ny Pr Ranjeva Raymond anefa izy io. Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ity farany rahampitso misandratr’andro. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT