Politique

Raharaham-pirenena Misafotofoto be , hoy ny TEZA


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Misafotofoto ny fiainana ara-politika eto Madagasikara, hoy Ihanta Randriamandranto, mpikamban’ny antoko Teza, no sady minisitry ny fiompiana teo aloha,

tetsy Anosy, io omaly io, raha nanontaniana ny fahitan’ny antokony ny raharaham-pirenena ankehitriny. Toy ny atao amboletra avokoa ny zava-drehetra ary rehefa mitady hiteny sy maneho hevitra ny olona dia tsy mahazo manao izany avokoa. Firenena demokratika isika kanefa toa tsy hita loatra hoe misy demokraty ve eto? Raha tsy tafapetraka sy atao teny hierana amin’ireo mpanao politika rehetra heverina ho matihanina ny lalàmpanorenana eken’ny be sy ny maro dia hisafotofoto foana io. Ho noana ny vahoaka, hitoetra ny delestazy, ny halatra sy korontana etsy sy eroa. Isan’ny lohalaharana maneran-tany amin’ny fampivoriana olona Madagasikara ka ny andrasana amin’izy ireny aloha dia ny fitoizany. Ny vahaolana izany dia ny hoe mipetraka ve ny lahatsoratra rehetra ahafahana manao ny fifidianana tena milamina sy ekena. Tsy olana na aloha na ao aoriana ny fifidianana rehefa tafapetraka io. Maninona no tsy misy CENI any Frantsa sy Etazonia fa aty Afrika ihany dia matetika misy krizy aorian’ny fifidianana foana . Aleo isika Malagasy no handray an-tanana izany, hoy izy ary mba hirosoana tokoa ny fifampiresahana raha tena olon’izany ny filoham-pirenena.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT