Fanagiazana ireo fananana any amin’ny banky any ivelany, tsy fahazoana visa, izany hoe tsy afaka handeha na aiza na aiza ny FAT ankoatra an’i Madagasikara, ny fitokana-monina ara-diplomatika, izany hoe tapaka tanteraka ny fifandraisana amin’ny any ivelany.
Ireo no sazy nomen’ny Vondrona Afrikanina ireo olona 109, nisakana ny fampanjariana ny drafitra hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy lalina izao. Miditra amin’ny andro faha-3 nitontonan’izany sazy izany i Madagasikara amin’ity anio ity. Ny vondron’ny Gasy Tia Tanindrazana manokana dia naneho ny fankasitrahany ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina satria efa mafy loatra, hoy izy ireo ny fijaliana nampitondrain’ireo manana ny fahefana ankehitriny ny vahoaka malagasy. Mangataka ny amin’ny tokony hanafainganana ny vokatr’ireo sazy ireo ny GTT mba hahazoan’ny FAT miala eo amin’io fahefana nangalariny io. Tsy nisy afa-tsy fahoriana sy fampijaliana, araka ny fanazavana, no nampitondrain’ny FAT ny vahoaka malagasy tato anatin’ny herintaona. Araka izany, dia mbola eo amin’ny lohan’ny FAT i Andry Rajoelina na dia eo aza ny sazy. Hihamafy ny fandrobana, indrindra eto amintsika satria tsy afaka hanondrana entana any ivelany ireo mpanongam-panjakana. Manoloana izany indrindra àry dia manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy rehetra tia tanindrazana ny GTT mba haneho ny heviny ho hitan’izao tontolo izao fa tsy mankasitraka ny FAT sy ireo mpiara-dia aminy na eto an-toerana na any ivelany, na misy na tsy misy sazy.
Miantso ny Malagasy hiray hina koa ny GTT iraisam-pirenena haneho fa firenena vanona i Madagasikara ka tsy olona tsy manana kalitao no hanimbazimba ny voninahitra sy ny soatoavin’ny firenena. Ny herim-bahoaka sy ny finiavana dia hanampy ny fianakaviambe iraisam-pirenena hangeja an-dRajoelina sy ny tariny, tsy hanohintohina intsony ny fiainam-pirenena.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.