Mangina tanteraka manoloana ireo fiantsoana azy etsy sy eroa handray andraikitra ny foloalindahy. Niandry ihany ny mpanara-baovao fa tsy nisy valin-teny ireo antso nataon’ny filoha isany Marc Ravalomanana sy ny Pr Zafy Albert sy ny praiministra teo aloha Monja Roindefo.
Ary araka ny tsiliantsofina re avy amin’ireo miaramila dia mbola mandinika tsara ny fizotry ny raharaham-pirenena izy ireo, fa tsy hoe hivoaka ny lakazerina avy hatrany vantany vao misy miantso. Hoy indrindra ny manamboninahitra am-perinasa iray tafaresaka taminay : «Hita ho tena sahirana ny vahoaka, ary ambony ambany ny fiainana ara-politika eto, tsy voatery ho vahaolana anefa ny fidiran’ny foloalindahy an-tsehatra mivantana amin’ny famahana ny krizy. Hiteraka olana vaovao ho antsika ny mety fandraisan’ny miaramila ny fitondrana, satria hisy akony ratsy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany, ary mety hampitombo isa indray ny ankolafy politika sy ny fizarazarana ao amin’ny foloalindahy. Aza adinoina fa mbola misy ny zavatra tsy milamina sy tsy mazava tsara amin’ny fiainan’ny foloalindahy, tahaka ireny resaka vola 2,5 miliara ireny ohatra, ny raharaha FIGN. Nisafidy ny fahanginana izahay mba hampitony ny toe-draharaha. Manana ny fombany manokana amin’ny famahana ny olany koa mantsy ny miaramila ary misy fahasamihafana be mihitsy amin’ny an’ny sivily sy ny mpanao politika izany».
Manoloana ny resaka mandeha momba ny fizarana vola ao anatin’ny tafika sy ireo kazarana fanampenam-bava kosa dia tahaka izao ny ambarany : «Izaho manokana aloha dia tsy mbola nahita izany vola zaraina ao amin’ny tafika izany, fa siosion-dresaka fotsiny tahaka ny olon-drehetra no reko. Tsy misy ny porofo mivaingana amin’io raharaha io ka sarotra ihany ny hanamafy na handà izany. Ny vy anefa tsy mikitrana irery, matoa misy resaka mivoaka sy miparitaka dia misy antony izay. Raha misy ny zavatra tena mampiahiahy dia afaka manadihady ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foloalindahy mba ipoiran’ny tena marina. Raha ny resaka fizarana fanamiana tany Toliara kosa dia efa fomba fanao teto amintsika io, nanao izany ny mpitondra rehetra nifandimby teto, koa mba mety manohy izany fotsiny angamba Atoa Andry Rajoelina». Nanamafy ihany koa moa ity manamboninahitra ity fa misy mihitsy ireo mpanao politika miresaka sy mifandray amina manamboninahitra am-perinasa.
Azo antoka anefa fa efa fantatry ny manampahefana sy ireo lehibe rehetra ao amin’ny foloalindahy izany, hoy izy, koa matoa izy ireo tsy mandray fepetra dia manana ny antony mazava tsy hanaovana izany izy ireo. Raha fintinina ny tafa nifanaovana tamin’ity manamboninahitra ity dia miandry izay ho fidonany fotsiny aloha hatreto ny tafika fa tsy haka fitondrana mihitsy na dia hita fa sahirana aza ny firenena ary mamerina tsimoramora ny jadona ireo mpitondra FAT, no sady mampiasa ny fananam-panjakana ho amin’ny tombontsoan’izy ireo manokana. Hita sy tsapa ihany koa fa mbola misy ny ahiahy tsy hihavanana ao anatin’ny foloalindahy ao, ary vola sy tombontsoa manokana no fototr’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.