Politique

Raharaham-pirenena Hihaona ireo filoha 4 voafidim-bahoaka


  • Sabotsy 15 Oktobra 2016

Ho raikitra ihany ! Nanao antso ny Amiraly Didier Ratsiraka fa tokony hihaona sy hifampidinika ireo filoha voafidim-bahoaka, ary alefa mivantana amin’ny haino aman-jery izany.

Nandritra ny lanonana fankalazana mitety faritra ny faha-40 taonan’ny Arema, tao amin’ny Foyer Secren Antsiranana sy sabotsy 8 oktobra 2016, no nanambarany an’io hijerena vahaolana miaraka, hisian’ny fitoniana maharitra eto Madagasikara  hahafahana mibanjina ny tena fampandrosoana no antony. Naneho ny heviny mikasika an’io fihaonana amin'ireo filoha teo aloha io Atoa Marc Ravalomanana, tany Toamasina ka nilaza fa “tena mankasitraka” izany. "Ny fihaonana dia ilaina foana. Rehefa tsy misy ny fihaonana dia samy bemarenina eto, dia mifanome tsiny eo”. Aminy aza dia tsy tokony hijanona eo amin'ireo filoha teo aloha fotsiny, fa “azo itarina amin'ireo fiarahamonim-pirenena, sy ireo mpitarika antoko politika ihany koa". Mihaona, midinika ny filoha teo aloha rehefa mandalo fahasahiranana ny firenena. Tsy zava-baovao izay fa fanao sy fahita amin’ny firenena demokratika izany, hoy ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy sady filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa. Vonona amin’izany ny Pr Zafy albert araka ny narambany, ary “efa naniraka ahy izy (Prefosora) niresaka tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny tokony hifampidinihan’ireo filoha voafidim-bahoaka ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao, ary tsy mandà an’izany izy”, hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa. Ity farany izay nanohy fanazavana fa samy nahazo isam-bato ambony avokoa ireo tamin’ny fifidianana nahavoafidy azy avy ka tsy azo ahilikilika, fa raiamandreny mahalala ny tokony hampiadana ny Vahoaka.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT