Ho ambohipihaonan’ny ankolafy telo : Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana ao amin’ny Carlton ny zoma sy sabotsy izao. Hisy ny fiaraha-mientana hataon’izy ireo, hivoahana amin’ny krizy izay efa nitarazoka nandritra ny 18 volana izao.
Karazan’ny fampisehoan-kery ihany ny an’ny Ankolafy telo manoloana ny fiziriziriana ataon’ny fitondrana FAT tsy hampihatra izay efa nifanarahana. Nanamafy hatrany ny Ankolafy telo fa ny tenieran’ny firehana efatra niara-nanao sonia ireo fifanarahana politika sy satan’ny tetezamita tany Maputo, izay efa nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena, ihany no vahaolana mety amin’i Madagasikara. Izay no nilazan’izy ireo ampahibemaso fa tsy handray anjara tamin’ny dinika politika nosantarina teny Iavoloha ny zoma 06 aogositra ary notohizana nandritra ny telo andro teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato araka ny fanasana narahina tolotanana nataon’i Andry Rajoelina izy ireo. Efa valin-teny mialoha ny fotoana ireo izay iraka mihevitra ny handresy lahatra ny Ankolafy telo hanamasina izay sori-dalana hivoahana amin’ny tetezamita noraisina kimaimaika tany koa ny fisian’ity fiaraha-mientana hivoahana amin’ny krizy hataon’izy ireo ao amin’ny Carlton ity.
Etsy andanin’izany dia nifarana tamin’ny rangopohy nataon’ny antoko politika miisa 88 ny dinika politika niarahan’ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika sy ny UDR-Fanovana, manohana ny FAT tao amin’ny Centre de Conférences International Ivato rehetra naharitra telo andro. Nivoaka sempotra ihany ny mpizaika ary efa hisasaka ny alina, omaly alarobia 11 aogositra, vao tonga tamin’io fanaovana rangopohy io araka ny fanirian’i Andry Rajoelina rahateo nandritra ny fihaonana savaranonando niarahan’ny andaniny sy ny ankilany ny zoma 06 aogositra teo, tao amin’ny Lapan’Iavoloha. Fandrafetana tetiandrom-pifidianana no nanamarika ity dinika teny Ivato ity, na nisy fiovana aza ireo daty nofaritana taorian’ny adihevitra mafana tamin’ny mpandray anjara. Ka ny 30, 31 aogositra hitohy ny 01, 02 ary 03 septambra ny fikaonandoham-pirenena izay handinika ny amin’ny amnistia sy ny gadra politika. Ny 17 novambra 2010 no hanaovana ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Handeha aloha ny fifidianana solombavambahoaka ka ny 16 martsa 2011 no hanatanterahana azy. Ny 4 mey 2011 kosa ny no hanaovana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nofaritan’ny mpizaika koa ireo andrimpanjakan’ny tetezamita. Raha ny marimaritra niraisan’ny mpizaika tao dia ho filohan’ny tetezamita amin’izay i Andry Nirina Rajoelina manomboka eo. Nifanaraka koa izy ireo fa dia haverina amin’ny toerany ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, na tsy mbola voafaritra aza ny ho isan’ny mpikambana ao. Hivelatra kokoa ny govenemanta hanome endrika governemantan’ny firaisampirenena, saingy tsy mbola voafaritra koa ny mpimbana ao aminy. Na izany aza efa nofaritana ny fomba fanendrena ny mpikambana ao.
Ny antoko politika no handroso anaran’olona amin’ny filohan’ny tetezamita, ka ity farany no hanendry ny praiministra lehiben’ny governemanta. Ny praiministra indray no manolotra ny anarana amin’ny filohan’ny tetezamita hotendrena ho ministra mpikambana ao amin’ny governemanta. Hohatevenina ny vaomieram-pirenena mahaleotena mikarakara ny fifidianana na CENI ka hanana solontena ao ny antoko politika. Ny zoma 13 aogositra izao no hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy ity fifanarahana politika vita tao Ivato omaly ity. Mifanindran-dalana amin’io ny “Fiaraha-mientana hivoahana amin’ny krizy” izay hetsika lehibe hataon’ny Ankolafy telo ao amin’ny Carlton. Hitempo amin’ny aiza ny fon’ireo masoivohom-pirenena vahiny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’io andro io ? Teny manainga izany amin’io fotoana io. Mbola tantara mitohy ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.