Politique

Raharaham-pirenena Famitaham-bahoaka ny filazana fa mahavita tena isika


  • Talata 31 Aogositra 2010

Na dia mamerimberina matetika aza ny avy ao amin’ny FAT, ary lohalaharana amin’izany i Andry Rajoelina fa mahavita azy isika ary tsy mila miandry ny tsodranon’ny sehatra iraisam-pirenena, dia hita taratra amin’ny fizotry ny toe-draharaha amin’izao fotoana, fa miandry ary manantena mafy ny fankatoavan’ny avy any ivelany sy ny fanampiana ara-bola avy any ny fitondrany.

Porofon’izany ny fihemorana lava teo amin’ireo tetiandro efa navoaka tamin’ny fomba ofisialy, ary i Andry Rajoelina mihitsy no nilaza azy. Ankehitriny anefa dia toa manaiky ny fampihemorana isaky ny mihetsika ny datin’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ireo fifidianana hafa ihany ny FAT, na dia manangam-bovona tsindraindray ihany aza ireo mpikaramanady politikany. Araka ny fahitan’ny mpandinika ny toe-draharaha politika iray azy dia : «efa hatry ny ela no afaka nanatanteraka ny fihaonambem-pirenena ary nampahafantatra ny lalàmpanorenana, na ireo lalàmpanorenana hampisafidianana ny vahoaka ny fitondrana tetezamita, saingy tsy nahasahy nanao izany satria matahotra ny hahazo tsiny avy amin’ny mpanao politika sy ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ny fanankianana ireo mpanelanelana avy ao amin’ny GIC, indrindra fa ny SADC, saingy manaiky ny hiara-hiasa amin’izy ireo ihany amin’izao fotoana ny fitondrana tetezamita».

Tsy tafavoaka tokoa mantsy ny baolina raha ireto roa farany ireto no tsy manaiky ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy, ary fantatry ny filohan’ny FAT sy ireo mpiara-miasa aminy tsara izany. Araka ny filazan’ity mpandinika ny toe-draharaha politika ity ihany, dia efa niova tanteraka ny rivotra politika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’ny nisian’ny fanatontoloana, ka tsy misy na dia iray aza amin’ireo firenena an-dalampandrosoana, tahaka an’i Madagasikara, tompon’ny teny farany amin’ny lafiny politika sy toekarena ao aminy, fa tsy maintsy misy hatrany ny toromarika avy any ivelany. Ka ny fiziriziriana hitaky ny hoe tena fahaleovantena no mampitarazoka ny krizy, satria tsy hanaiky izany mihitsy ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena matanjaka, izay miara-miasa amin’ilay firenena an-dalam-pandrosoana, araka ny filazan’ity mpandinika ny toe-draharaha politika ity ihany.

Ny hany azo atao, araka ny nambarany dia ny fahaizana miresaka amin’ny vahiny mikasika ny fizarana ny tombontsoa avy amin’ireo harena trandrahana eto amin’ny firenena. Aminy dia famitahana ny vahoaka ny filazana fa mahavita tena isika ary tsy mila vahiny izany. Mbola azo neritreretina izany raha tany amin’ny taona 90 tany ho any i Madagasikara no niditra tamin’ny fanovana mahery vaika, tahaka ny nataon’i Chine sy Singapour ary ny nosy Maorisy izay samy efa matanjaka ara-toekarena amin’izao fotoana. Fa raha amin’izao vanim-potoana iainana izao kosa, dia nofinofy no fieritreretana fa afaka handeha irery fa tsy hiara-dalana amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, hoy izy namarana ny fanazavany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT