Hiaraha-manaiky sy mahita, hoy ny mpanabe ary filoha tale jeneralin’ny vondrom-panabeazana Aceem, William Ratrema, fa mandalo fahasahiranana amin’ny lafiny rehetra isika.
Manahirana avokoa na ny vidim-piainana sy ny fiovan’ny fiarahamonina mihitsy. Anisan’ny mirongatra moa izao ny fitsaram-bahoaka ary dia manahirana koa io, hoy ny fanazavany, satria tsy maintsy masiaka ny malagasy rehefa tsapany fa voatohintohina ny hasiny. Izany, hoy izy no antony nandoroan’ny olona ilay ramatoa nanipy kisoa tamina doany iray tamin’ny taon-dasa satria zava-manan-kasina aminy no voakitikitika. Ny fihariana koa dia manan-kasina ary dia noho izy io voakitikitika koa no isan’ny mampasiaka ny olona. Tokony hazava ny politikam-pihariana eto ary manana andraikitra ny mpanabe mba hampianatra hifanaja sy hifanome hasina. Mbola misy ny fanantenana hahafahana manova izao toe-draharaha izao, hoy ny tenany, ary mety hampivoatra zavatra be dia be aza izany fa miankina amin’ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.