Politique

Raharaham-bahiny eoropeana Tsy manaiky ny sori-dalana frantsay


  • Zoma 30 Aprily 2010


Mifandrindra an-dalana amin’ny dinika any Pretoria dia nivory tany Luxembourg ireo ministry ny raharaham-bahiny eoropeana nanomboka ny 27 aprily ka hatry ny omaly, 29 aprily. Ny tolakandro dia nandalo tamin’ity fihaonana ity ny antontan-taratasin’i Madagasikara. Ny loholona Naika Eliane no nisolo ten any ankolafy madagasikar atamin’io fihaonana io. Araka ny vaovao àry dia notsipahin’ny ankamaroan’ireo nandray anjara tamin’ny dinika ny sori-dalana naroson’i Frantsa. Ho azy ireo dia vahaolana iraisana, tenierana ary andrasian’ny rehetra anjara ihany no vahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Araka ny vaovao ihany dia miandry izay ho valin’ny fihaonana any Pretoria ry zareo Eorôpeana, ary efa miomana ihany koa amin’ny fampiharana ny sazy isam-batan’olona, ny fanagiazana ireo fanampiana afa-tsy ny maha-olona ny fampiharana ny fifanarahan’i Cotonou, izany ho etsy afaka hirotsaka izay rehetra nandray anjara tamina fanonganam-panjakana. Araka izany, dia tsy ho mora ny miandry ireo mpitondra FAT na inona mety ho vokatra any Pretoria na inona. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT