Politique

Raharaha Vontovorona «Misy ambadika politika», hoy i Tongavelo Athanase


  • Zoma 16 Jolay 2010


Manoloana ny fitakiana sy fitokonana ataon’ny mpianatry ny polytechnique eny Vontovorona ny amin’ny tahotry ny tsy hitohizan’ny fianaran’izy ireo, dia nanamafy ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika, Tongavelo Athanase fa “tsy maintsy mitohy ny fampianarana ary tsy hisy izany taona fotsy izany amin’ity 2010 ity”. Nanamafy koa ity ministra ity fa “mizotra soa aman-tsara, araka ny tokony ho izy, ny fampianarana amin’ny ambaratonga ambony manerana an’i Madagasikara, ary tena miasa amin-kitsim-po ireo mpampianatra”. Notsiahiviny fa tsy eny Vontovorona irery no manana olana fa zava-misy manerana ny oniversite eto Madagasikara ny fahasahiranana na ara-bola io, na ara-pitaovana. Efa eo am-pikarohana miandalana ny vahaolana amin’ny fitakian’ireo mpampianatra eny Vontovorona momba ny fandoavana ny tambin-karaman’izy ireo ny ministera sy ny governemanta, araka ny nambaran’i Tongavelo Athanase. Tsy azo teren-ko masaka toa voalobo-jaza anefa izany, hoy izy fa misy ny fepetra tsy maintsy arahina, indrindra fa raha resa-bola izany. Nisintona ny sain’ny rehetra izy ary nilaza fa mpiasam-panjakana mandray ny karamany isam-bolana ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite, fa tsy hoe miaina amin’ny tambin-karama fotsiny sanatria.

Raha ny fahenoana ny fanazavan’ny ministra Tongavelo Athanase dia tsy fitakiana madio momba ny tambin-karama fotsiny ity ataon’ny mpampianatra eny Vontovorona ity fa misy ambadika politika. Tsy nisalasala moa izy nilaza fa karamain’ireo mpampianatra sasantsasany mba hitokona ny mpianatra, dia mody lazaina hoe matahotra ny hisian’ny taona fotsy ka mitaky ny hamahan’ny fitondrana tetezamita haingana ny olan’ireo mpampianatra. Mampalahelo raha tahaka izany ny fihetsika sy ny fomba fisainan’ny mpanabe, araka ny nambarany ihany. Fa mandra-piandry ny vahaolana sy hipoiran’ny tena marina amin’ity resaka eny amin’ny polytechnique Vontovorana ity aloha, dia mbola mitohy hatrany ny fitokonana ataon’ireo mpianatra ka amin’ny alalan’ny fametrahana sakana eny amin’ny vavahadin’ny oniversite eny Ankatso no anaovan’izy ireo izany.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT