Politique

Raharaha Soamahamanina Diso ny fitsarana, hoy ny Maitre Olala


  • Zoma 28 Oktobra 2016

Vao maraina dia efa zavontany ny mpitandro ny filaminana nanakana ny hetsika saika hotontosain’ny vahoakan’i Soamahamanina tany an-toerana.

Tsy nitroatra toy ny mahazatra ireo mponina fa nanaiky kosa ny fandaminana napetrak’ireo nitari-tolona. Tsy navelan’ny Emmoreg hobahanan’ireo mpanao fihetsiketsehana ny arabe mba tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana. Tonga tany an-toerana moa nanao tatitra tamin’ny vahoaka mikasika ny fihaonany tamin’ireo 5 lahy notanana am-ponja ny maitre Willy Razafinjatovo na Olala. Nisy ny fahadisoana avy amin’ny fitsarana, hoy ity mpisolovava ity satria dia izy ireo no mitazona ela ny dosie tokony hahazoan’ireo notanana fahafahana vonjimaika. Ataon’ny fitsarana inona moa io dosie io raha tratra ambodiomby ireo voampanga ? Raha ny tokony ho izy dia herinandro aorian’ny fisamborana ny fitsarana, hoy ny fanazavany, kanefa dia efa ho iray volana izao izany no tsy hita izay tena fizotrany. Lasa mankany amin’ny fanosihosena ny zon’ny voampanga ilay izy, hoy ny Me Willy Razafinjatovo.

Faralahimatoa


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT