Tsy naharesy lahatra ny ankamaroan’ireo mpitsara mivondrona ao anatin’ny SMM ny marimaritra iraisana nivoaka taorian’ny fihaonan’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina sy ny biraon’ny SMM tarihin’i Auguste Marius Arnaud teny Ambohitsorohitra ny alakamisy lasa teo.
Izay no votoatin’ny fanambarana navoakan’ity sendikan’ny mpitsara ity. Hisy indray ny fivoriambe hokarakaraina afaka 15 andro, ka aorian’izay no hamoahana fehin-kevitra hafa vaovao. Raha hiverenana kely moa ny tantara dia nitokona nandritra ny roa herinandro ny mpitsara, ary tena nikatso ny raharaha-pitsarana. Ramatahora no nasetrin’ny FAT tamin’ny alalan’ny ministry ny fitsarana ny fitakian’izy ireo. Ka niakatra ambonimbony ny fifampidinihana, teo no nampisy ny fihaonan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny filohan’ny SMM sy ny solontena vitsivitsy. Voalaza taorian’izay fa hiverina hiasa ny mpitsara, fa hoe nanaiky ny hanao sonia fampiharana ilay didim-pianjakana Atoa Andry Rajoelina, saingy amin’ny Repoblika faha-4 izany vao ampiharina. Ka mety ho izay no antony tsy naharesy lahatra ny ankamaroan’ireo mpitsara satria, raha ny fahitana ny raharaha politika amin’izao fotoana dia mbola elaela ihany vao hiditra ao anatin’izany Repoblika faha-4 izany isika. Manampy izany dia iaraha-mahalala ihany ny fiovaovan-kevitra sy fivadibadihan’ny FAT.
Efa maro ny sonia nataony, tsy nisy mihitsy anefa ny fampiharana azy. Araka ny tsiliantsofina re dia mampiahiahy ireo mpitsara ny fihetsik’i Andry Rajoelina tonga dia nanaiky hanao sonia, kanefa milaza indray fa amin’ny repoblika vaovao no hotanterahana izany. Amin’ireto mpitsara ireto dia fomba fiady sy famonoana afo ary tetika nampiasaina mba hanalefahana ny hetsika fitakiana nataon’ny SMM no nataon’i Andry Rajoelina, fa tsy misy akory ny tena fahavononana hamaha ny olana. Ahiana arak’izany ny mety hiverenan’ny fitokonan’ireo mpitsara indray afaka tapabolana, raha toa ka tsy misy ny fifanatonana sy fifampiresahana tena hamaha ny olana mialoha izany. Ny hanahirana amin’ity raharaha ity dia noho ilay izy ao anatin’ny fampielezan-kevitra sy ny fikarakarana ilay fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra. Iaraha-mahalala fa hatramin’izao dia tsy mbola nanaiky ny hanolotra ireo solontenany ao anatin’ny CENI ny mpitsara, ka raha izao no fandehany dia tsy hisy mpitsara mihitsy izany ao anatin’ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity; ka hampitombo hatrany ny fahasahiranany ao amin’ny fanatanterahany ny asa aman’andraikiny izany, na dia mandà mafy izany aza ny filohany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.