Hanafatrafarako an’ireo mpitsara foana, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana teny Anosikely omaly talata 2 mey, ny hoe :
aza hafangaro ny « vérité légale » sy ny « vérité judiciaire » na ny marina eo anatrehan’ny lalàna sy ny marina tena izy. Raha ny mikasika ny raharaha senatera Lilyson sy Rina Andriamandavy VII no asian-teny, hoy ity filohan’ny Antenimierandoloholna ity, dia tsotra ny azo ambara : tsy hisalovana ny anjaran’ny sasany izahay ka hisandoka andraikitra fa ndrao dia hiharan’ny andininy faha-258 amin’ny famaizan-dalàna velona ka ho voasazy 2 taona ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina fa aoka ny fitsarana no hijery an’izay « vérité judiciaire » sy « vérité legale » izay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.