Politique

Raharaha Razaimamonjy sy Ratiarison Fandebirebena saim-bahoaka fotsiny


  • Zoma 28 Aprily 2017

Ny sabotsy 22 aprily teo no voalaza fa tonga teto an-tanindrazana tamin’ny 10 ora alina i Claudine Razaimamonjy rehefa avy nanaraka fitsaboana maika tatsy Maorisy.

 

 Navantana tao amin’ny hopitaly CHU Andravoahangy Andrianavalona etsy Ampefiloha aloha fa mbola mila haraha-maso akaiky ny fahasalamany. Niely avy eo ny feo fa hoe tsy tao fa nalefa tany Fianarantsoa indray ary ny minisitry ny fambolena, Rivo Rakotovao, no tompon’antoka tamin’ny famindrana azy. Hatreto tokoa aloha dia tsy mbola nisy haino aman-jery na iray aza nahazo ny sary manamarina fa efa eto tokoa ity mpandraharaha voapanga tamin’ny resaka kolikoly avo lenta ity ary dia mampametra-panontaniana hoe eto Madagasikara tokoa ve izy ? An-kilany, ilay talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fifandraisana teo aloha, Nivo Ratiarison, izay mbola voaheloka amina resaka kolikoly avo lenta koa dia mbola voalaza ho manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Befelantanana kanefa efa tokony ho nivoaka tao ny 21 aprily teo. Raha ny fahitana azy hatreto aloha dia mandrebireby saim-bahoaka amin’izao fotoana izao ny raharaha Razaimamonjy ary azo heverina ho paikady handrebirebena saim-bahoaka hanaraka izany koa ity raharaha Ratiarison ity. Inona kosa indray ary no ho takonana  indray?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT