Politique

Raharaha Ravalomanana Didim-pitsarana no olana


  • Alarobia 15 Jona 2011

Omaly talata 14 jona i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, vao naneho ny heviny mikasika ny fanapahan-kevitry ny SADC nivory tatsy Sandton, Afrika Atsimo, ny 11 sy 12 jona teo, izay milaza mazava fa afaka mody tsy misy fepetra eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana.

Mikasika an’ingahy Ravalomanana manokana, dia mazava ny ao anaty tondrozotra fa rehefa milamina ny toe-draharaha politika, ary rehefa tsy misakantsakana ny filaminana eto amin’ny firenena izy, dia azo atao ny mampody azy. Tsy mody maina izy fa misy tribonaly eto, misy sazy miandry azy”, hoy i Andry Rajoelina nanoloana ny mpanao gazety tao Ambohitsorohitra. Mazava ankehitriny ny raharaha fa dia resaka didim-pitsarana no olana. Ny fahafahan’Atoa Marc Ravalomanana “mody tsy misy fepetra” araka ny ambaran’ny SADC dia milaza fa toy tsy misy amin’izy ireo ary tsy manan-kery ny didim-pitsarana manameloka an’ity filoha teo aloha ity. Ireo mpisolovava an’Atoa Ravalomanana rahateo dia manamafy fa filoham-pirenena Atoa Ravalomanana, ary Fitsarana tsy mahefa mitsara no nitsara sy namoaka ny didy manameloka azy.

I Andry Rajoelina sy ny FAT anefa mamahatra amin’ireo didim-pitsarana telo manasazy an’i Dada, dia ny resaka “Force One II”, ny “raharaha 7 febroary 2009, ary ilay hoe : “fanotofana tany tetsy Andohatapenaka”, dia mikatso ny resaka. Mikasika ny tondrozotra indray dia ilay nataon’ireo vondrona politika miisa valo, rangopohy teny Ivato ny 09 martsa 2011, no nambaran’i Andry Rajoelina fa hotanterahina tsy misy fepetra, ary dia hiroso amin’ny fanatanterahana samirery ny fifidianana izy. Mazava fa fihantsiana ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no ataon’ny FAT. Ny fiantraikany dia hitoka-monina eto i Madagasikara, vao mainka hitarazoka ny krizy, ary dia hijaly ny vahoaka Malagasy.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT