“Fihazonana any am-ponja tsy ara-dalŕna hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy manana ny fahaleovantenany ny fitsarana”, ireo raha bangoina no azo hamintinana ny raharaha Ralitera sy ireo namany 4 hafa voampanga, araka ny fanazavan’ireo mpisolo vava azy ireo dia Ratrimoarivony Yves sy Ratrimoarivony Solo nanoloana ny mpanao gazety omaly.
Misy zavatra tsy mety eo anivon’io fitsarana io, hoy izy ireo namaky bantsilana. Ny 6 mey 2009 no nosamborina Ralitera ary nolazaina fa mpamono olona, mpanakorontana sy ny maro hafa. Ny antony nisamborana azy voalohany, araka ny fanazavana, dia voalaza fa saika handoro ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana na ny Hcc teny Ambohidahy izy. Rehefa voasambotra ny lehilahy dia nandeha aloha ny 8 volana, dia avy eo nisy didy nanampy enim-bolana, ary farany dia efa-bolana izay tapitra ny 6 novambra lasa teo.
Nihazakazaka ny raharaha tao anatin’izay efa-bolana farany izay ka ny 22 oktobra, araka ny vaovao ihany dia nisy didy navoakan’ny Cassation kanefa na ireo mpisolo vavan’ny voampanaga aza tsy nahalala akory fa tany amin’ny 4 novambra tany vao nahafantatra izany izy ireo. Araka ny fanazavana dia tokony efa nisy “ordonnance de prise de corps” saingy tsy nisy moa izany. Hafatra am-bava no natao tamin’ny tompon’andraikitry ny fonja milaza fa tazonina ireo voampanga fa tsy afaka mivoaka. « Tiana ho tazomina any am-ponja maharitra Ralitera sy ireo namany satria raharaha politika ity raharaha ity », hoy ihany ireto mpisolo vava. Mazava kosa moa no tenin-dRatoa Ihanta Randriamandranto izay vadin’ny kolonely Ralitera. “Raha tena nanao ireny zavatra ireny ireo vomapnga ireo dia tonga dia tsarao fa aza tazomina lavareny ao fotsiny”.
Fantatra moa fa izy 5 lahy ireo, dia Ralitera Andriamalala, Razafindrakoto Jean de Dieu, Rakotomanga Andrianarimanana, Fanomeza Razanadimby ary Raharinjatovo Georges Martin no zokiolona indrindra amin’reo voafonja vokatry ny raharaha 2009. Tsy nijery azy ireo ny toeram-piasany hatramin’izao, hoy ihany ny fianakavian’ireto voafonja. Araka ny fanazavana dia tamin’ny nisamborana an’i Rakotomanga dia nokapohina ny lohany. Vokany, dia zary lasa manana olana eo amin’ny fandrenesana ny lehilahy ankehitriny. Tsy hangina moa ireto fianakaviana, hoy izy ireo, fa hiasa eo anivon’ireo masivoho isan-karazany, ao anatin’izany koa ireo fikambanana misahana ny zon’olombelona, ny aministie international. Manaraka akaiky ity raharaha ity ihany koa ny masoivoho Frantsay satria, araka ny fanazavana dia mizaka ny zom-pirenena frantsay ingahy Ralietra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.